Fanjakana misokatra ho an’ny olompirenena

Notanterahina nandritra ny telo andro 26, 27,28, septembra 2019 tao amin’ ny tokotany ben’ ny tranomboki-mpirenena eo Anosy   ny Varavarana misokatra hoan’ ny olompirenena, Hetsika karakarain’ ny Ministeran’ ny Serasera sy ny Kolontsaina. 

Tanjona amin’ izany ny  hampifandray ny andripanjakana rehetra sy ireo rantsamangaikany amin’ ny olompirenena malagasy. Tafiditra ihany koa ao anatin’ ny fankalazana ny Andro iraisam- pirenena hoan’ ny zo mahafantatra izao hetsika izao Nandray anjara feno tamin’ izany hetsika izany ny Ministeran’ ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny jono. Hita tao anaty tranoheva ireo tetikasa sy ireo fandaharanasa rehetra ary koa ireo paikady entina hanatratrarana ny tanjona lehibe dia ny  Fahavitan-tena ara bary. Natolotra ihany koa nandritra ny loabary an-dasy ny Paikady Tangorompamokarana  na « Concept d’Agrégation »  izay paikady entina ampifandraisana ny tantsaha mpamokatra na ny vondron’ ny tantsaha amin’ ireo mpandraraha mpanodina ny vokatra misehatra eo amin’ ny Fambolena sy ny fiompina sy ny jono.

Dans le cadre de la célébration de la Journée Internationale de l’Accès à l’Information et du lancement du projet de normalisation des « centres de documentation et d’information » institutionnels, le Ministère de la Communication et de la Culture  a organisé trois journées de porte ouverte étatique du  26 au 28 septembre 2019, dans la cour de la bibliothèque nationale à Anosy  sur le thème « fanjakana misokatra ho an’ny olompirenena ».

Cet évènement a pour objectif de rapprocher les institutions étatiques et les différents ministères des citoyens Malagasy.  C’est l’occasion pour les différents ministères  de présenter leur organisation, leur fonctionnement, ainsi que les différentes structures existantes. Le MAEP à travers son stand a présenté les différentes stratégies et moyens, afin d’atteindre les grands objectifs qui lui sont assignés pour ne citer que l’autonomie rizicole en 2020. Le concept d’agrégation a également été présenté lors d’une conférence-débat organisée à cette occasion.

Retour

Comments are closed.