« La digitalisation de la riziculture à Madagascar »

Nandritry ny Tsenabe Iraisam-pirenena ho an’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono 2019, dia nisy orinasa vahiny nampiseho tetikasa vaovao, azo ampiharina tsara eo amin’ny sehatry ny fambolena eto Madagasikara, toy ny « digitalisation de la riziculture », izay fomba iray moderina ahafahana mampita vaovao amin’ny sehatry ny fihariana vary.

Ny orinasa vahiny ATOS sy BearingPoint no mitondra ity tetik’asa ity, sehatra iray hifaneraseran’ireo tantsaha mpamokatra. Manana lokan’ady roa lehibe ny tetikasa dia ny handray anjara amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara sy ny hanatsara ny fari-piainan’ireo tantsaha mpamboly vary malagasy amin’ny alalan’ny fampiakarana ny vokatra, fanenàna ny fatiantoka, fitsinjarana ara-drariny ny vary ao amin’ny faritra iray mankany amin’ny faritra hafa, ary ny fanenàna ny tsy fitovizana eo amin’ny torohay momba ny vidy mandritry ny fifanakalozana.

Ity sehatra ity ihany koa dia ahafahan’ireo mpamboly misitraka ireo tolotra manamora ny asam-pamokarana izay ataony, toy ny masomboly ara-kalitao, ny findramam-bola, ny fiahiana sy fiantohana, sns.. Ankoatr’ izay dia manana fomba fiasa fototra ihany koa ny tetikasa, toy ny lasitra momba ny fambolena, ny fandoavam-bola amin’ny alalan’ny finday, ny fampiofanana mifototra amin’ny fambolena , ny torohay momba ny toetr’andro sy ny vidim-bokatra, ny fivoaran’ny fahazon-dalana amin’ny fampindramam-bola madinika, sns.

Eo ambanin’ny fitarihin’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, ny tompon’andraikitry ny tetikasa dia hanatanteraka fanadihadiana ara-bola sy ara-teknika ho an’ity modely ity, izay vatsian’ny ministeran’ny toekarena sy ara-bola frantsay, hahafahana manombatombana ny mety hiseho sy ny fahatanterahany mandritry ny 2 taona. Mba hahafahana manakaiky kokoa ny zavamisy sy ny fomban-drazana ary ny sehatra Malagasy, ny Atos sy Bearingpoint dia hifototra amin’ny fahalalan’ireo mpisehatra ara-panjakana sy ireo manam-pahaizana manokana any an-tsehatra.

Amin’ny alalan’ity fanadihadiana ity ihany koa no hijerena ireo zavatra azo atao amin’ny alalan’ny zava-misy sy amin’ny fampiasana ireo serasera rehetra.

Misokatra hatrany moa ny varavaran’ny Ministera amin’ny fiaraha-miasa toy izao ahafahana mampandroso hatrany ny sehatry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono eto Madagasikara.

————————————————————————–

La filière rizicole est stratégique à Madagascar. Un projet de digitalisation de la riziculture à Madagascar sera initié par Atos, qui est un leader international de la transformation digitale et fournit des solutions intégrées d’Applications Métiers et Environnement de travail connecté, et par BearingPoint, un cabinet de conseil en management et technologie indépendant aux racines européennes avec une couverture  mondiale.

Ce projet, qui est une plateforme pour les agriculteurs a une double enjeux, premièrement, de contribuer à l’atteinte de l’autosuffisance alimentaire à Madagascar, et deuxièmement, d’améliorer les conditions de vie des riziculteurs malagasy à travers l’augmentation des rendements agricoles, la diminution des pertes et gaspillages le long de la chaîne de valeur, une meilleure distribution du riz d’une région excédentaire vers des localités déficitaires, et la réduction des asymétries d’information sur les prix lors de chaque transaction.

Cette plateforme permettra aux agriculteurs d’accéder à des services facilitant  leur activité économique comme les semences de qualités, les amendements, les prêts bancaires, les assurances, etc.). En outre, elle possédera des fonctionnalités de bases telles que le référencement des agriculteurs, le paiement mobile, des informations sur la météorologie et le prix, une formation élémentaire aux pratiques agricoles, une évolution de l’éligibilité au microcrédit, …

Les porteurs du projet conduisent une étude de faisabilité financière et technique de ce modèle, qui est financé par le Ministère de l’Economie et des finances français, afin d’évaluer la possibilité et les modalités de sa concrétisation dans un horizon de 2 ans. Afin d’être au plus près de la réalité des pratiques et du terrain malagasy, Atos et Bearingpoint s’appuieront sur les connaissances des acteurs institutionnels et experts locaux. Ils testeront testerons aussi un prototype en conditions réelles représentatives des pratiques culturales de la filière riz.

Ce projet était présenté durant la Foire Internationale de l’Agriculture 2019 à la zone Forello Tanjombato le 13 septembre 2019.

Source: Communication MAEP

Retour

Comments are closed.