“Agrégation: paik’ady mahomby manampy ny tantsaha mpamokatra”

Anisan’ny lohahevitra nisongadina tamin’ireo loabary an-dasy notanterahina nandritry ny tsenabe iraisam-pirenena ho an’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono 2019, andiany fahatelo, ny “Agrégation et mécanisme de financement”. Paikady izay   entin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono hanatanterahina ny vina nosoritan’ny Filoham-pirenena Malagasy dia ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fampiroboroboana ny tontolon’ny famokarana ho moderina.

Ireo mpandray anjara amin’ny “Agrégation”

Laharam-pahamehana amin’ity paikady ity ny fampiroboroboana ny ny lemaka famokarana sy ny resaka Indostrialy. Fifamatoram-piaraha-miasa eo amin’ny vondron’ny tantsaha mpamokatra “Agréges” sy ny Mpandraharaha Mpanodina ny vokatra “Agrégateur” no azo hanazavana ny hoe “Agrégation”. Ka mandray anjara amin’ny fitondrana ny tohana ara-teknika ho an’ireo vondron’ny tantsaha ny Fanjakana.

Mpiara-miasa akaiky ireo mpisehatra

Zava-kinendry amin’ity Paikady ity ny fampivondronana ireo mpamokatra mba ahazoana vokatra betsaka sy ara-kalitao izay mifandraika amin’ny filan’ny tsena sy ny fisian’ny vidim-bokatra ifanarahana ho tombontsoan’ny tsirairay. Ka hisy arak’izany ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny roa tonta. Tsy hijanona ho mpanangona sy mpividy ny vokatra fotsiny ireo mpandraharaha  fa tsy maintsy hanohana ny mpamokatra  ka hiaraka hisalaha amin’izy ireo eo amin’ny famokarana amin’ny fanomezana tohana ara-teknika, ara-piofanana ary ara-pitaovana  ka hifampizara amin’izay mety ho olana  ho vahana.

Fiaraha-miasa amin’ny FDA

NY fifanekena na « contrat » eo amin’ny mpanangom-bokatra sy ny mpamokatra dia azo ampiasaina atao fanampin’ny antoka amin’ny findramam-bola amin’ny Banky izay hiara-hiasa amin’ny rafitra Tahirim-bola ho fampiroboroboana ny famokarana na FDA.

L’un des thèmes phares présentés par le MAEP lors des conférences organisées durant la Foire Internationale de l’Agriculture FIA 2019, 3ème édition à la zone Forello Tanjombato, le 12 au 15 septembre 2019 était «L’agrégation et le mécanisme de financement ». C’est une stratégie en vue de concrétiser la vision du Président de la République qui est « l’autosuffisance alimentaire et l’émergence d’un secteur agricole moderne ». Elle se basera sur la promotion du monde rurale axée à l’extension des superficies à cultiver et à l’industrialisation.

Collaboration étroite entre les acteurs de l’agrégation

L’agrégation se définie comme une coopération entre les paysans producteurs et les entrepreneurs agricoles, de sorte que les transformateurs qui achètent le produit soient “agrégés”, les producteurs sont “agrégés” et ce système forme l’agrégation. Le Ministère apporte des appuis aux producteurs sur le plan technique l’accord afin que les deux parties puissent en bénéficier.

Coopération avec le FDA

Le but de cette stratégie est de grouper les paysans afin de produire suffisamment pour répondre aux besoins du marché, d’améliorer la qualité du produit, d’augmenter le taux concurrentiels à des prix compétitifs pour les deux, Entrepreneur agricole capable d’avoir une vision à long terme dans son secteur d’activité, contrats pouvant être utilisés en plus pour la garantie du prêt bancaire par le biais du FDA (Fond de Développement Agricole). Les entrepreneurs ne seront pas seulement des collecteurs et des acheteurs de produits, ils devront aussi accompagner et appuyer les producteurs dans leur production et faire face aux problèmes potentiels.

Date: 13/ 09/ 2019

Retour

Comments are closed.