PAIKADY ENTINA HAMPIROBOROBOANA NY LALAMPIHARIANA «MOHAIR » ANY AMPANIHY


Ho fampiroboroboana sy famerenana ny lazan’Ampanihy amin’ny lalam-pihariana”mohair” dia nisy ny loa-bary an-dasy izay nataon’ny Foibem-paritry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono Atsimo Andrefana(DRAEP) momba ireo paikady sy fomba entina hanatsarana ny lalampihariana “mohair” nandritra ny Tsenabe iraisam-pirenena ho an’ny Famokarana(FIA)andiany fahatelo ny 14 septambra 2019.

Ny “mohair”izay volo azo avy amin’ny fiompiana osy:”chevre Angora”.Olona miisa 15000 no mivelona amin’ity lalampihariana ity ary 30000 ireo mpanenona ary ny 80% ny mponina dia mahafehy ny fanamboarana “tapis mohair”. Ny fanamafisana ny fahaiza-manao ara-teknika amin’ny lafin’ny fiompiana no tohana entin’ny Minisiteran’ ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono amin’ity lalam-pihariana ity.

Misedra olana ity lalampihariana ity amin’izao fotoana izao satria dia mihasimba ny taranakin’ny osy Angora ka tsy maharaka intsony ireo vokatra omeny toy ny volo sns. Ao ihany koa ny tsy fahampian’ny sakafo noho ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fitantanana ara-pahasalamana.

Nivoitra nandritry ny loabary andasy fa atao laharam-pahamehana ny fandrindrana  ity lalampihariana ity, ny fanatsarana ny taranak’osy amin’ny alalan’ny fanaovana safiotra, ny fametrahana ny tolo-draharaha manakaiky ireo mpiompy mba hisian’ny fanaraha-maso mivantana avy eny ifotony ahafahan’ny tantsaha manatsara io lalampiharina io.

REDYNAMISATION DE LA FILIERE MOHAIR

La redynamisation de la filière « mohair » d’Ampanihy était l’objet de la conférence menée par la Direction Régionale de l’Agriculture de l’élevage et de la Pêche (DRAEP) du Sud-ouest a présenté les différentes stratégies et les moyens de mises en œuvre pour redynamiser la filière « mohair » le 14 septembre 2019 lors de la troisième édition de la Foire International de L’Agriculture (FIA).

Le « mohair» est un produit dérivant des poils de la chèvre Angora. Cette filière constitue la source de revenues de 15 000 éleveurs, 300 00 tisserands. 80% de la population d’Ampanihy sont capables de fabriquer du tapis mohair. Le Ministère de l’Agriculture de l’élevage et de la Pêche apporte son appui en techniques d’élevages.

Actuellement, cette filière rencontre des difficultés sur la dégradation génétique en matière de race caprine mohair faute de géniteur à haut potentiel génétique, sur la raréfaction des aliments pour chèvres dû aux  changements climatiques et sur la gestion de la santé des caprins.

Ainsi, la priorité est d’organiser la filière, faire des croisements des chèvres Angora avec des chèvres gasy et mettre en place des services de proximité pour que les éleveurs puissent améliorer la filière.

RETOUR

Comments are closed.