Fihaonana faha roa momba ny PAP BATAN

Natao ny 11 sy ny 12 Septambra 2019 tany Nosy Be  ny fihaonana faha roa momba ny drafim-panajariana ny jono eny amin’ny helo-dranon’ Ambaro, Tsimipaika, Ampasindava ary ny vondronosin’ny Nosy Be na PAP BATAN.

Ny andro voalohany dia natokana ho an’ny jery todika ny zava-bita tamin’ny taona 2018 izay natolotr’ireo fikambanana tsy miankina toy ny Blue Venture, WWF sy WCS ary ny FUP na ny fifondronan’ny mpajono izay miasa eo amin’ny faritra BATAN. Ny andro faharoa kosa dia natokana handrindrana ny drafitr’asa ho any taona manaraka.

Ny fitazomana ny kalitao ny tolotra eo anivo ny rohy voary mamokatra harena anaty rano, no miaro ny faritra saro-pady hiantohana ny fanavaozana ny harena anaty rano. Ny fihantohana ny fametrahana ny fitrandahana maharitra ny harena anaty rano, ahafahana manatsara ny farim-piainan’ireo mpisehatra sy ny mponina. Ary ny fihantohana ny fizarana ara-drariny ny harena nateraky ny jono ho an’ny mponina amin’ny fampitomboana ny tombontsoa ara-toekarena eo anivon’ny fokotany, ny faritra ary ny firenena mba hanasongandinana ny vondron’ny mpanjono miray hina, mifanaja sy mirindra. Ireo no tanjony drafim-panajariana ny jono ny faritra BATAN araky ny lalàna laharana 14 191/2017.

Tsiahivina fa tamin’ny 19 Aprily 2018, tany Amilobe no nanaovana ny fivoriana voalohany ary tany no nadrafetana ny drafitr’asa ny taona voalohany sy ny fitsinjarana ny asa sy andraikitra ny komitim-pitatana ny drafim-panajariana ny jono eo amin’ny faritra BATAN.

Réunion du comité de pilotage du PAP BATAN.

La seconde réunion du comité de pilotage du PAP BATAN (Plan d’Aménagement des Pêcheries pour les baies d’Ambaro, de Tsimipaika, d’Ampasindava et l’archipel de Nosy Be) s’est tenue le 11 et 12 Septembre 2019 à Nosy Be.

Cette réunion a pour but de présenter, lors du premier jour d’atelier,  l’état d’avancement  par les différentes ONG (Blue Venture, WWF et WCS) et du FUP (Fédération de l’Union des Pêcheurs)  sur la zone d’intervention BATAN. Le second jour a été dédié pour la planification du nouveau plan de travail de la seconde année d’exécution du plan d’aménagement.

Selon l’arrêté N°14 191/2017 la mise en œuvre du PAP BATAN, le plan d’aménagement a pour objectifs , dans un premier temps, de maintenir la qualité des services offerts par les écosystèmes producteurs des ressources halieutiques en préservant les habitats sensibles assurant le renouvellement des ressources halieutiques. Puis d’assurer l’instauration d’une exploitation durable des ressources halieutiques permettant l’amélioration des conditions de vie des acteurs clés et de la population côtière. Et enfin, d’assurer une distribution plus équitable des richesses générées par les pêcheries en améliorant la part des populations locales à travers l’intérêt économique communale, régionale et nationale pour promouvoir des organisations communautaires plus sociables, respectueuses et mieux organisées.

Rappelons que la présentation des rôles et des responsabilités du COPILO ainsi que l’élaboration du PTA (Plan de Travail Annuel) 2018 sont les points forts levés lors de la première réunion du COPILO PAP BATAN qui s’est tenue le 19 Avril 2018 à Ambilobe.

Retour

Comments are closed.