Tanora 155 no lasa matihanina

Tamin’ity volana Aogositra 2019 ity no namoahana tamin’ny fomba ofisialy ny andiany faharoa ireo tanora nahavita ny fiofanana nandritry ny roa taona, notolorana ny Takelaka manamarika ny maha-mpamokatra matihanina (Certificat Professionnel en Exploitation Agricole), sy nahavita ny fiofanana telo taona nahazo ny mari-pahaizana BEP EEA (Brevet d’Etude Professionnelle en Exploitation et Entreprenariat Agricole), manerana ireo ivontoeram-panofanana CAFPA 7 eto Madagasikara dia Andranovaky-Mahitsy/Analamanga, Ambohitsilaozana Ambatondrazaka/Alaotra Mangoro, Brickaville /Atsinanana, Iboaka-Fianarantsoa/HauteMatsiatra, Andrarangy Maintirano /Melaky Ambaniandrefana-         Antsirabe /Vakinankaratra ary Antanamitarana-Diégo/Diana.

Tanora 64 nahazo BEP EEA ary 91 nahazo CPEA

Miisa 64 ireo tanora nahazo ny mari-pahaizana BEP EEA, eo anelanelan’ny 18 ka hatramin’ny 25taona avy amin’ny lafy valon’ny Nosy ary miisa 91 kosa ireo notoloranana ny CPEA.

MAEP: vonona hatrany hanohana ireo tanora mpamokatra

Tanjona ilofosan’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono ny hanavaozana ny famokarana amin’ny alalan’ny fampiasana teknolojia vaovao , ny fitodihana  amin’ny tsena ary indrindra ny famokarana azahoana tombony sy mampidi-bola ka mila mpamokatra matihanina sy liam-pivorana i Madagasikara. Izay indrindra no antom-pisian’ny CAFPA.

Fiofanana ara-teknika

Afa-po ireo tanora tamin’ny fiofanana izay noraisiny. “Nifantoka feno tamin’ny teknikam-pamokarana, ny fivarotana ny vokatra, ny fanodinana ny vokatra, ary ny fitadiavana ireo mpamatsy vola moa ny fiofanana. Teo ihany koa ny fanabeazana maha-olona, ara-tsaina, ara-panahy. Feno dia feno ny fiofanana ary ampy tsara hiatrehana ny famokarana izany”, hoy ny fanazavan’I RANDRIANTSIFERANA Jacquot, mpiofana tao amin’ny CAFPA Mahitsy, avy amin’ny faritra Itasy, Distrikan’ny Soavinandriana.

————————————————————-

155 jeunes diplômés

La sortie officielle de la 2ème promotion des jeunes formés au sein des 7 centres de formation CAFPA de Madagascar, Andranovaky-Mahitsy/Analamanga, Ambohitsilaozana Ambatondrazaka/Alaotra Mangoro, Brickaville /Atsinanana, Iboaka-Fianarantsoa/HauteMatsiatra, Andrarangy Maintirano /Melaky Ambaniandrefana-         Antsirabe /Vakinankaratra ary Antanamitarana-Diégo/Diana a eu lieu ce mois d’Août 2019.

64 diplômés de BEP EEA et 91 certifiés de CPEA

64 jeunes âgés de 18 à 25 ans ont reçu des certificats BEP EEA (Brevet d’Etude Professionnelle en Exploitation et Entreprenariat Agricole) et 91 ont reçu le CPEA (Certificat Professionnel en Exploitation Agricole).

MAEP : prêt à soutenir les jeunes producteurs

Madagascar a besoin de producteurs expérimentés et engagés pour faire face aux besoins des marchés émergents, par le biais des techniques modernes de production agricole fournis par le CAFPA.

Les jeunes sortants sont satisfaits de la formation. «La formation était axée sur les techniques de production, la vente des produits, la transformation des produits et la recherche de fournisseurs. De même, l’éducation humaine, psychologique et spirituelle était également abordée durant la formation. La formation est complète », d’après RANDRIANTSIFERANA Jacquot, jeune sortant du CAFPA Mahitsy, originaire de la région d’Itasy, district de Soavinandriana.

Comments are closed.