FIA : sehatra hampiroboroboana ny fandraharana ara-pamokarana

Ho fanomanana ny tsenabe iraisam-pirenena ho an’ny tontolon’ny famokarana andiany fahatelo, izay hotanterahina ny faha-12 ka hatramin’ny faha-15 Septambra 2019 ho avy izao, ka mitondra ny lohahevitra momba  ny tontolon’ny fandraharana izay mampifandray mivantana ny tolotra sy ny tinady iraisam-pirenena sy nasionaly, dia nanatanteraka valan-dresaka voalohany ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny Le Louvre Antaninarenina ny 13 Aogositra 2019 ny mpikarakara : « Agence première Ligne » sy ny MAEP.

Sehatra iray ahafahana mampifandray ny mpamokatra na ny mpamboly amin’ireo mpandraharaha vahiny sy avy eto an-toerana ny tsenabe izay hotanterahina, ary ihany koa ahafahana mamondrona azy ireo hiroso amin’ny sehatry ny matianina. Atao ny hetsika mba hampiroboroboana sy hampivoarana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny Jono, ary indrindra hitaritana ireo mpamokatra hitodika bebe kokoa amin’ny tsena. Tanjon’ny MAEP amin’ny fikarakarana izany, miaraka amin’ireo mpikarakara mpiray ombon’antoka ihany koa ny hampivoatra ny seha-pihariana anaty rano sy hampitombo ny vokatra ary indrindra ny hanomezana lanja izany vokatra izany. Tsiahivina fa ny 30% ny Malagasy dia mpanjono avokoa ary seha-pamokarana iray anisan’ny mitondra anjara biriky lehibe amin’ny fampiroboroana ny toe-karena eto Madagasikara ny fitrandrahana ny harena anaty rano.

Anisan’ny mampiavaka ity tsenabe ity ny fisian’ny fiantraikany mivantana avy hatrany amin’ny fitarihana ireo mpamokatra satria 70% amin’ireo mpandray anjara amin’ny fampirantiana amin’ity andiany ity dia vaovao avokoa. Hisy ihany koa moa mandritry ny tsenabe ny famelabelaran-kevitra lehibe mifantoka amin’ny fomba hampiroboroboana ny seha-pamokarana ary indrindra ny B2B, hahafahana mampifandray mivantana ireo mpamokatra amin’ireo orinasa na mpandraharaha lehibe iaraha-miasa.

Interview DG: https://youtu.be/mg0IJvgx5m0

FIA 3ème édition: stratégie de mise en œuvre du modèle d’agrégation pour le MAEP

Une première conférence de presse, organisée par le MAEP et l’Agence première Ligne, pour la préparation de la 3ème édition de la FIA (Foire Internationale de l’Agriculture) qui se déroulera le 12 au 15 septembre 2019 et dont le thème est « l’agribusiness et l’agroalimentaire »,  a eu lieu le 13 Août 2019 au Louvre Antaninarenina.

Une plate-forme permettant de mettre en contact les paysans producteurs avec les entrepreneurs étrangers et locaux, le FIA vise de les réunir dans le monde de l’Agribusiness. L’organisation de cette foire est ainsi une occasion pour le MAEP de promouvoir et de renforcer le secteur Agriculture, Elevage et Pêche, et en particulier d’orienter les producteurs vers le marché.

Pour promouvoir l’agribusiness et l’agroalimentaire, le MAEP avec ses partenaires et parties prenantes attirera pendant cette foire l’attention des investisseurs et opérateurs de marché sur le modèle d’agrégation.

De même, l’amélioration du secteur aquacole y sera également mise en avant par l’économie bleue sachant que 30% de la population malagasy sont des pêcheurs et que l’exploitation des ressources halieutiques est l’un des principaux facteurs contribuant à la croissance économique de Madagascar.

Une des caractéristiques de cette foire 3ème édition est le fait qu’elle présentera un impact direct sur le leadership puisque 70% des participants à ce salon sont tous des nouveaux exposants. Aussi, des conférences à thèmes sur les stratégies de développement des secteurs Agricoles, des salons B2B auront lieu permettant une connectivité directe avec les producteurs des grandes entreprises et des entrepreneurs pour la facilitation de la commercialisation des produits.

Date: 13/ 08/ 2019

Source: Communication MAEP

Retour

Comments are closed.