Fandaharanasa Fianatra : Hanofana ireo tanora any amin’ ny faritra Androy sy Anosy.

Anisan’ireo faritra 13 misitraka ny fandaharanasa Fianatra na FORMAPROD ankehitriny ny Faritra Androy sy ny Faritra Anosy. Notanterahina ny 31 Jolay 2019 tao Ambovombe ny fanaingana tamin’ ny fomba ofisialy ny fandaharanasa hoan’ ny faritra Androy ary ny 02 Aogositra 2019 tao Taolagnaro kosa hoan’ ny faritra Anosy.

Faritra azo trandrahina tsara ny faritra Androy sy ny Faritra Anosy satria manana morontsiraka lehibe ,manana velarantany maro azo trandrahina ary tanora avokoa ny  ankamaron’ ny mponina ao.  Tsapa sy hita anefa fa mbola tsy ampy ny traikefa sy ny fahaizamanaon’ ireo tanora izay mahatonga ny taham-bokatra ambany ao amin’ ireo faritra ireo.

Ankehitriny dia efa manao ezaka ny fanjakana Malagasy hanohanana ny tanora mpamokatra hanatsara ny fidirambolany. Mandray anjara feno amin’ ny fanatratrarana izany ny fandaharanasa Fianatra na FORMAPROD.Tanjon’ny fandaharanasa Fianatra izay eo ambany fiahian’ ny Ministeran’ ny Fambolena, sy ny Fiompiana ary ny Jono, ny fanatsarana ny fidiram-bolan’ny tokatranon’ny mpamokatra, ny fampitomboana ny vokatra azo sy ny fiatrehana ny tsena amin’ ny alalan’ ny fampiofanana. Natao izany mba hanatratrarana ny vina fampandrosoana napetraky ny Fanjakana Malagasy, indrindra ny velirano faha 9 nataon’ ny Filoham-pirenena Andry Nirina RAJOELINA, mikasika ny fahavitantena ara-tsakafo hoan’ny Malagasy rehetra.

Nandritra ny atrikasa dia nampiseho ny faharavoany ireo tantsaha sy ireo mpikambana amin’ ny fikambanana izay tonga nanatrika. Hoan’ ny Atoa Fafah Filohan’ny fikambanana fivoarana Maintso izay fikambanana manao voly hazofihinamboha sy anana ao Beloha   dia ilaina ny fandaharanasa satria ny fampiofanana izay mety ho azo avy amin’ ny fandaharanasa dia hampivoatra ny hantsara ireo sehampihariana ireo.

Hoan’ ny tompon’andraikitra ny tetikasa ao amin’ ny kaominina Ambovombe kosa dia hevitra tsara ny fidiran’ny fandaharanasa ao amin’ny faritra satria miavaka amin’ ireo tetikasa marobe misy ao amin’ ny faritra, izay mahakasika ny hamehana ny akamaroany, ny FORMAPROD ary hampiova ny toe-tsain’ ny tanora mba hiroso amin’ ny asa famokarana sy fandraharana.

Tanora miisa 1000 no heverina fa hahazo fiofanana avy amin’ ny fandaharanasa hoan’ ity taona 2019 ity  koa 500 hoan’ ny faritra Androy ary 500 hoan’ ny faritra Anosy. Marihina fa efa natomboka tamin’ ny 2018 ny asan’ny fandaharanasa ao amin’ ny faritra roa ireto, koa tanora 120 no efa voaofana tao amin’ ny faritra Androy ary 90 tao amin’ ny Faritra Anosy amin’ ny seham-pihariana samihafa.


Lancement du Programme FORMAPROD dans la région Androy et Anosy :

La région Androy et la région Anosy viennent s’ajouter aux différentes régions d’intervention du Programme de Formation Professionnelle et d’Amélioration de la Productivité Agricole (FORMAPROD) qui sont au nombre de 13. Le lancement officiel du programme s’est déroulé le 31 juillet 2019 à Ambovombe pour la région Androy et le 02 juillet 2019 à Fort Dauphin pour la région Anosy.

Bien que sujettes aux aléas climatiques les deux régions regorgent de potentiels.  Ils possèdent d’importantes surfaces cultivables et exploitables et la population est majoritairement jeune. Force est de constater des  lacunes au niveau des pratiques agricoles impactant de manière négative  sur les rendements.

L’Etat Malagasy à travers l’engagement N° 9 du Président de la République ambitionne de devenir le grenier alimentaire de l’Océan Indien et d’atteindre l’Autosuffisance alimentaire. Pour atteindre ces objectifs il est nécessaire d’augmenter le rendement agricole et la productivité et cela par le renforcement des capacités des exploitants agricoles. Le programme FORMAPROD, sous tutelle du Ministère de l’Agriculture de l’Elevage et de la Pêche est un des moyens mis en œuvre par le ministère et est en accord avec ces objectifs  puisqu’ il vise l’augmentation de la productivité agricole et l’amélioration des revenus ruraux à travers la formation qualifiante des jeunes.

Selon Mr Fafah, Président de l’Association Fivoarana Maintso, une association qui pratique la culture d’arbre fruitier et de brède à Beloha, le programme arrive à point nommé. Nous espérons beaucoup de ce programme car c’est ce genre d’initiative qui va nous aider à développer notre région et notre activité a-t-il déclaré »

Le Responsable Projet de la Commune Urbaine d’Ambovombe quand à lui  a ajouté qu’il s’agit d’une très bonne initiative car le programme diffère des autres projets qui sont en général des projets d’urgence et qui consistent à l’octroi de subvention ou d’aides. Celui – ci par contre vise un changement de comportement des jeunes afin qu’ils puissent avoir un esprit entrepreneurial.

Pour cette année, le programme prévoit de former et installer 1000 jeunes dans les deux régions : 500 dans la Région Androy et 500 autres dans la Région Anosy qui seront réparties dans différents type de formation. Notons que les activités du programme ont démarré en 2018 et depuis 120 jeunes ont été formés dans la région Androy et 90 dans la région Anosy.

Comments are closed.