Fanakatonana ny fitrandrahana drakaka : Hoentitra ny fampiharana

Ho fampafantarana ny didim-pitondrana laharana 14 274 / 2019 izay mamaritra ny fikatonan’ny fitrandrahana  drakaka anaty Ala honko manomboka ny 10 Aogositra izao ka hatramin’ny 31 Oktobra 2019, dia nisy ny fihaonana teo amin ny tompon’andraikitry ny MAEP sy ireo mpandraharaha misehatra amin’ny lalam-pihariana drakaka ,tao Mahavatsy faha-2, Toliara.

Efa ho roa taona izao no tsy nisy fikatonana ny fitrandrahana drakaka anaty Ala honko ka nampihena be io vokatra io na teo amin’ny habeny izany na teo amin’ny habetsahany .Mahatsapa izany ireo mpandraharaha misehatra eo amin’ny lalam-pihariana drakaka ka niombon-kevitra tamin’ ny fitondram-panjakana tamin ny namoahana ny didim-pitondrana laharana 14 274 / 2019 .

« Ny fitrandrahana drakaka amin ny endriny rehetra indrindra ny fanjonoana ,fanangonana famarotana, fividianana, ny fitaterana, ny famezivezena, ny fitehirizana ary ny fanondranana ny drakaka anaty ala honko (Scylla serrata) eto Madagasikara (velona ,fitehirizana am-bifotsy, ny fitahirizana mivaingana manontolo, potipotika, nofony …, dia mikatona manomboka ny 10 Aogosotra maraina ka hatramin’ny 31 Oktobra 2019 misasak’alina, isan-taona amin’ny faritra rehetra manerana an’i Madagasikara ».

Ho hentitra ny Fitondram-panjakana amin’ny fampiharana ity didm-pitondrana ity ary hisy ny sazy hampiharina avy hatrany ho an’ireo izay mandika izany .Izao no natao dia ny hiarovana tsy hahalany tamingana ireo drakaka anaty ala honko eto Madagasikara Mandritra ny fotoam-pikatonan’ny fitrandrahana drakaka   no hanatanterahana ny Atrikasa lehibe .ahafahan’ireo mpisehatra  eo amin’io lalam-pihariana io hifandinika sy hifanakalo hevitra 

 Des mesures impératives pour l’exploitation de crabes !

 Pour informer les opérateurs sur l’arrêté 14 274 / 2019 portant la réglementation de l’exploitation des crabes de mangroves (Scylla serrata) concernant la fermeture de ces derniers à compter du 10 août à zéro heure au 31 octobre à minuit, les responsables au niveau du MAEP  menés par le Directeur de Cabinet  du MAEP, Lova RAMAROSON ont organisé une rencontre d’échanges avec les acteurs de la filière à Mahavatsy II, Tuléar.

Depuis deux ans (2017-2018), l’exploitation de crabes n’a pas connu de fermeture. Cela a eu des impacts néfastes au niveau de la production tant en qualité qu’en quantité d’après les opérateurs. Selon eux, cette fermeture de 2mois et 20 jours coïncide avec leurs  attentes afin de préserver la durabilité de la filière crabe.

En effet, l’article stipule que l’exploitation de la pêche, la collecte,  la vente, l’achat, le transport, la conservation et l’exportation de toute forme de crabes de mangroves (Scylla serrata) de Madagascar vivant, semi-conservé, congelé, entier, morceau, miette, chair, sucette…est fermée du 10 août à zéro heure au 31 octobre à minuit de chaque année sur tout le territoire de Madagascar.

L’État sera sévère à l’application de cet arrêté. Pendant cette fermeture, un atelier national de crabes de mangroves se tiendra afin de permettre aux acteurs de la filière de s’exprimer et à partager leurs expériences.

Comments are closed.