Fanofanana ireo teknisianina malagasy amin’ ny sehatry ny fandonahana sy fanamasahana ny nofon-tany.

Mihamafy orina atrany ny fiarahamiasan’ ny firenena Maraokanina sy ny firenena Malagasy eo amin’ ny sehatrin’ ny fambolena. Ankehitriny dia  misy expert marokanina tonga hanofana ireo teknisianina sy mpikaroka ao amin’ny Foibem-pirenena momba ny Fikarohana ampiharina amin’ny Fampandrosoana ny eny Ambanivohitra (FOFIFA) sy ny Ministeran’ ny Fambolena, ny Fiompina ary ny Jono (MAEP).

Mahakasika ny fikirakirana ny fitiliana ny tsiron’ ny tany mba hahafahana mafantatra ireo toetry ny tany sy ireo karazana zezika mineraly entina hanatsarana ny nofontany, ity fiofanana atao ity. Tafiditra iany koa ao amin’ ny tetikasa fanatsarana ny nofon’ ny tany izay hiarahan’ ny MAEP/FOFIFA  amin’ ny Fikambanana  « Office chérifien des Phosphates »  izay mahakasika ny fampitomboana ny traikefan’ ny teknisianina Malagasy momba  ny fanatsarana ny nofon’ ny tany sy ny fanamboarana ny saritany momba ny fandonahana sy fanamasahana ny tany eto Madagasikara.

Efa natomboka tamin’ ny taona 2017 ny tetikasa niarahana tamin’ ny OCP io.Velaran-tany mirefy 100 000 ha no efa vita fitiliana tamin’ ny alalan’ny « caravane de fertilité ». Faritra roa no nanaovana izany fitiliana izany , dia ny faritra Alaotra sy ny faritra Vakinakaratra. Nisy ihany koa ny fampitaovana ny trano fitiliana ny nofontany ny FOFIFA ao Tsimbazaza , ny fanomezana ny « laboratoire mobile » ary ny fanofanana mpikaroka sy teknisianina tany Maraoka.

Maharitra roa herinandro ny fiofanana izay atao ka ny herinandro voalohany dia fiofanana teorika ary ny herinandro faharoa dia ho atao eny amin’ ny trano fitiliana ny nofontany ny FOFIFA eny Tsimbazaza. Zava-dehibe hoan’ ny sehatry ny fambolena ny fiofanana momba ny fitiliana ny tsiron’ny tany izao satria ny fahalalana ny fivoaran’ ny nofon’ny tany dia hanampy ireo teknisianina hoan ‘ny fanatsarana ny famokarana eto Madagasikara ary hahafahana mahatratra ny tanjona lehibe : ny fahavitan-tena ara-tsakafo amin’ ny taona 2024.Mbola hisy ihany koa fiofanana izay ho atao mikasika ny « système d’informations géographiques appliqués à la cartographie des sols » araka ny tenin’ny Tale Jeneralin’ ny FOFIFA RAZAFINJARA Aimé Lala.

Des experts marocains  en fertilité des sols à Madagascar.

Dans le cadre de la coopération entre Madagascar et Maroc, deux experts marocains sont en mission à Madagascar du lundi 22 juillet 2019 au 3 aout 2019. La mission a pour objet d’effectuer une session de formation afin de renforcer la capacité des chercheurs et des techniciens du Centre National de la Recherche Appliquée au Développement Rural (FOFIFA), dans le domaine de la fertilité des sols, la fertilisation des cultures et la cartographie des sols.

La formation concerne les techniques de prélèvement et d’analyse des échantillons de sols en vue d’évaluer le niveau de fertilité des différents types de sols afin de déterminer les besoins en éléments fertilisants adaptés. Elle porte également  sur les besoins en éléments minéraux des cultures en vue d’une bonne pratique agricole, axée sur une fertilisation raisonnée des sols.

Cette formation s’inscrit dans la continuation du programme de coopération entre Madagascar et  Maroc à travers l’Office Chérifiens des Phosphates pour le renforcement de capacité des techniciens et chercheurs du FOFIFA et du MAEP dans l’Elaboration de la carte de fertilité des sols à Madagascar qui permettra aux autorités sectorielles malgaches de disposer d’un outil d’aide à la décision pour bâtir une stratégie de développement durable du secteur agricole à Madagascar.

A titre de rappel le projet a débuté en 2017. Depuis un laboratoire mobile et plusieurs autres équipements ont été mis à disposition de la FOFIFA pour la réalisation de la caravane de fertilité. Près de 100 000 ha de superficie ont été analysées dans deux régions productrices de la Grande ile : Alaotra et la région Vakinakaratra. La mise à niveau des équipements du laboratoire de Tsimbazaza a également été réalisée et 11 cadres ont bénéficié au Maroc de programmes de renforcement des capacités dans l’analyse des sols, le système d’informations géographiques appliqués à la cartographie des sols et le contrôle de qualité des fertilisants.

Cette session de formation est organisée suivant la formule formation des formateurs pour permettre de toucher encascade un plus grand nombre de techniciens et chercheurs du FOFIFA et du MAEP. Elle se déroulera en deux étapes une séance théorique en salle et des séances de pratique au laboratoire de pédologie du FOFIFA à Tsimbazaza. Selon le DG du FOFIFA une autre session de formation portant sur le système d’informations géographiques appliquées à la cartographie des sols serait organisée dans les mois à venir.

Retour

Comments are closed.