Ala honko: iray amin’ireo singa fototra ahatongavana amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo

2% ny ala honko maneran-tany no hita eto Madagasikara izay ahitana zava-maniry sy biby tsy fahita afa-tsy eto amintsika ihany. Raha eo @ lafiny fiompiana dia manana ny anjara toerany ny ala honko noho izy mamelona ny tantely sy ny landy dia. Toy izany koa ny eo amin’ny lafin’ny jono satria ny ala honko no fonenana sy fampitombon-taranaka ho an’ireo harena anaty rano toy ny drakaka,  ny makambany sy ny sisa. Tsy mbola manana paikady mazava hitantanana maharitra io ala honko io anefa Madagasikara koa ho fiarovana sy  hitantanana maharitra mba ho lovain-jafy ny fisitrahana ny ala honko na mangrove no antom-pisian’ny fikaonan-doha mandritry ny hateloana ao amin’ny hotely Amazone Toliara nanomboka androany 23 ka hatramin’ny 25 jolay 2019.

Atrikasa nasionaly nokarakarain’ny fandaharanasa USAID « Hay tao » miaraka @ fanjakana malagasy sy ireo mpisehatra voakasik’izany. Nahatratra 200 ny isan’ny mpandray anjara  avy amin’ny lafy valo ny nosy.zava-dehibe tokoa araka izany ny fanaovana ity atrikasa ity. Manoloana ny politika ankapoben’ny fanjakana ho an’ny fampandrosoana maharitra dia andraikitry ny minisitera ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono ny  ahavitantena ara-tsakafo ka manana ny anjara toerana amin’izany ny ala honko. Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ity atrikasa nasionaly momba ny ala honko ity Ramatoa Lova RAMAROSON, Talen’ ny kabinetra ny MAEP.

Vokatsoa maro no azo avy amin’ny ala honko na eo amin’ny lafin’ny tontolo iainana, na eo amin’ny lafin’ny sosialy sy ara-toekarena na eo @ lafin’ny fizahan-tany. Maro ireo misitraka izany vokatsoa izany ka miteraka fitrandrahana tsy ara-dalana sy mihoampampana izay tsindry mitambesatra eo @ fivelaran’ny ala honko.         Noho izany antony izany dia nahitana fihenana ny ala honko tao anatin’ny taona maro izao.

Tanjona amin’izao fikaonan-doha izao ny hamoahana tondrozotra mazava hitantanana maharitra ny ala honko izay tena hoampiharina mba ho lovainjafy ny fisitrahana ireo vokatsoa entiny. Aorian’ny atrikasa dia hisy avy hatrany ny fambolena honko amin’ny velaran-tany 10ha izay hatao ao Ambondrolava ho fanamarihana ny andro 26 Jolay, andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny ala honko. Ireo mpandray anjara tamin’ny atrikasa sy ny vondron’olona ifotony miisa 1000 no hanatanteraka izany ka teny filamatra ny hoe “Hay tondra sy hay tantana hampaharitra ny ala honkontsika”.

Mangroves: un des piliers de base vers l’autosuffisance alimentaire  

Madagascar abrite les 2% de la superficie  des mangroves au niveau mondial (Jones et al., 2016). Elle représente un écosystème forestier particulier, jouant à la fois un rôle de production (bois, miel, soie sauvage, etc…), de protection (contre l’érosion et aléas climatique), de régulation (séquestration de carbone), d’habitat ou de nurserie de diverses espèces telles que les crabes et les crevettes et également un rôle socio-économique (tourisme). Malheureusement, toutes les mangroves de Madagascar commencent à  montrer des signes de dégradation et de déforestation généralisées. C’est dans ce cadre que l’USAID en collaboration avec le MAEP, Ministère de l’Environnement et du Développement Durable et le Communauté Nationale de la Gestion Intégrée des Zones Côtières a organisé l’atelier national sur les mangroves de Madagascar à Tuléar du 23 au 25 juillet 2019 à l’hôtel Amazones. Il est attendu de cet atelier une stratégie nationale sur les mangroves visant une gestion durable de l’écosystème et une bonne gouvernance des ressources.

La surface des mangroves de Madagascar étant estimée à 280.000 ha en 2005  est  réduite à 213.000 ha en 2010 (Jones et al., 2016)  avec une perte nette de 21% entre 1990 et 2010, ce qui représente 57.359 ha. La dégradation des mangroves est fortement liée à la déforestation et l’accroissement démographique accélérée qui augmente les besoins énergétiques pour les ménages mais aussi pour certaines unités de transformation à cause de sa haute valeur énergétique. Les mangroves deviennent ainsi des zones de conflit potentiel entre les communautés locales en charge de leur gestion et les utilisateurs/ exploitants  malgré les diverses mesures de gestion en place.

Face à la dégradation alarmante des mangroves, l’Etat malagasy a déjà pris des dispositifs mais  toutes ces initiatives n’ont pas pu retenir la dégradation compte-tenu des enjeux socio-économiques et écologiques des mangroves dans le pays. C’est pour y faire face que cet atelier se tienne et  regroupe les scientifiques, les praticiens de la conservation, les gestionnaires de projets, les preneurs de décision et les communautés afin de partager leurs connaissances, d’échanger les expériences et de développer cette perspective commune. 

 A l’issu de cet atelier, les participants auront mis à jour leurs connaissances sur les mangroves, identifié les défis et les problématiques liés à la gestion des mangroves et formulé des recommandations pratiques et stratégiques pour assurer une gestion durable sur les plans technique, institutionnel et politique.

Comments are closed.