FIER MADA andiany faha 21: Hapetraka ny fandraharahana ny fihariana eny amin’ny tontolo ambanivohitra

Hotanterahina ny 7 ka hatramin’ny 11 Aogositra 2019 eny amin’ny stade MAKIS Andohatapenaka ny FIER MADA na ny tsenabe iraisam-pirenena ho an’ny toe-karena eny amin’ny tontolo ambanivohitra, andiany faha 21.

FIER MADA, hetsika ara-barotra ho fampivoarana ny toe-karena eny amin’ny tontolo ambanivohitra, hahafahan’ny mpisehatra rehetra ao anatin’ny famokarana mivondrona, mifanerasera, mifanakalo hevitra, mifampizara traikefa na fomba fiasa vaovao ho fanatsarana izay asa fihariana izay.

Fandrosoana maharitra: Tetikasam-panjakana vatsiana vola amin’ny harena voajanahary sy ifampierana eny amin’ny tantsaha eny ifotony” ny lohahevitra havoitra ho amin’ity  tsenabe   ity, ka hisy hetsika maro hanamarika izany toy ny loabary an-dasy, hetsika ara-kolontsaina maro, sns.

——————————————————————

FIER MADA 21eme édition: orientée vers l’agroéconomie rurale

La 21eme édition de la FIER (Foire Internationale de l’Economie Rurale) se tiendra du 07 au 11 aout 2019, au stade MAKIS Andohatapenaka.

La FIER MADA est une activité économique et commerciale qui vise à promouvoir l’économie rurale et permettre aux acteurs producteurs de se regrouper, communiquer, partager leurs expériences et méthodologies de travail afin d’améliorer la production.

Le thème de cette 21eme édition portera sur « Tetikasam-panjakana vatsiana vola amin’ny harena voajanahary sy ifampierana eny amin’ny tantsaha eny ifotony ». Diverses activités seront organisées durant cette manifestation à savoir des ateliers /débats, des activités culturelles, etc.

Date: 03 juillet 2019

Source: communication MAEP

Retour

Comments are closed.