Black eyes: tombony ho an’ny faritra Boeny

Manodidina ny 20 tapitrisa ariary ny tamberim-bidy azon’ny kaominin’ny Manerinerina, distrikan’ Ambato-Boeny, Faritra Boeny amin’ny famoahana ny vokatra avy ao an-toerana toy ny black eyes, makany ivelany .Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny zoma faha 21 Jiona 2019 tao amin’io kaominina io ny andiany fahatelo amin’ny foaraben’ny lojy, ny katsaka ary ny voamaina hafa. Loha-hevitra nandritry ny foara ny hoe « Atsika jiaby miara-miasa hampiakatra ny farim-piainan’ny tatsaha hampandroso ny toe-karen’ny faritra ». Nanokatra izany tany an-toerana ny prefetn’ny faritra Boeny, RAVELOMAHAY Fitiavana.

Ny fandaharanasa Fanoitra eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny fambolena ny fiompiana ary ny jono no mpikarakara ity foara ity. Naharitra hateloana ny hetsika. Mpitsidika manodidina ny 1500 no tonga nanatrika ny foara ary tranoeva miisa  35 no nampiranty ny vokatry ny tany sy ireo asa-tanana. Ny vokatra lojy no tena nibahan-toerana nandritry ny fampiratiana.

« Tanjona amin’izao tsenabe izao ny fampifanantonana ny tantsaha mpamokatra sy ny mpanangom-bokatra ka samy hahazo tombotsoa avokoa ny andaniny sy ny ankilany » araka ny nambaran’Andriamatoa PAULIN, Mpandrindra-paritrany fandaharan’asa fanoitra any Boeny. Tafajoro eo anivon’ny faritra ihany koa ny vovonan’ny mpikirakira lojy izay ivondronan’ny mpisehatra rehetra amin’ity zotram-pihariana ity. Andraikitra goavana miandry ity farany ny hampanaraham-penitra ny vokatra lojy aondrana any ivelany sy hampihena ny vidin’ny fanafody hamonoana ny bibikely mety hanimba ny vokatra.

———————————————————–

La Commune de Manerinerina  gagne environ 20 millions d’ariaryde ristournes chaque année grâce à l’exportation des produits locaux comme le black eyes.L’ouverture officielle de la 3ème édition de la foire de black eyess’est tenue dans cette commune de Manerinerina, District d’Ambato-Boeny, Région Boeny, le vendredi 21 Juin 2019.

Cette foire organisée par le programme PROSPERER, qui est un programme sous tutelle du Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche avait pour thème « Atsikajiabymiara-miasa,hampiakatranyfarim-piainan’nytantsaha, hampandrosonytoe-karenan’nyfaritra ». Environ 2000 personnes ont visité cette foirede 35 stands pendant trois jours où il y avait  l’exposition des produits locaux et artisanaux. Cette exposition s’est axée généralement sur le black eyes.

« L’objectif global de cette foire estde mettre en place un système B2B entre les paysans producteurs et les collecteurs, pour que les deux puissent bénéficier  des avantagesengendrés par cette filière », selon Monsieur PAULIN, Coordonnateur régional du programme PROSPERER Boeny.

La plateforme de gestion de la filière black eyes regroupant tous les acteurs concernés à cette filière a été mise en place. Elle charge, d’une part,la normalisation des produitsexportés et d’autre part, la réduction du prix des insecticides pour assurer la bonne production.

Date: 21 juin 2019

Source: Communication MAEP

Retour

Comments are closed.