Iraka avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena ho fanohanana ny tetikasa SWIOFISH 2

Nanatanteraka iraka ho fanohanana ny tetikasa SWIOFISH 2 teto Antananarivo ny Banky Iraisam-pirenena ny 17 hatramin’ny 21 Jona 2019, iraka izay notarihan’Andriamatoa Julien Million (manam-pahaizana manokana amin’ny resaka jono sady mpiandraikitra ny tetikasa) sy Erik Reed (manam-pahaizana amin’ny fitantanana ny harena voajanahary, sady mpiara-mitantana ny projet swiofish) ary Laza RAKOTONDRASOA (mpanamora amin’ny fitantanana ny harena voajanahary).

Ny dinika dia notanterahana tao amin’ny biraon’ny UGP (Unité de Gestion du Projet) ao Soavimbahoaka sy tao amin’ny Foibem-pitondrana ankapoben’ny Jono sy ny fiompiana/ fambolena anaty rano Ampandrianomby, izay mpiahy ny tetikasa, niaraka tamin’ireo sampana teknika miahy ny jono sy ny fiompiana/ fambolena mifandraika amin’ny tetikasa, ny CPOR, ny sampan-draharahana misahana ny tomban’ezaka sy ny fanjohiana  eo anivon’ny Ministera ary ny sampan-draharaha misahana ny trosam-bahoaka eo anivon’ny Ministeran’ny toe-karena sy ny fitantanam-bola.

Tapaka nandritra ny fivoriana fa ezahina arak’ izay tratra ny hanatanterahana ireo asa ao anatin’ny tetikasa swiofish 2 mandritra ny enim-bolana tapany faharoan’ity taona 2019, izay eo ambany fiandraiketan’ny sampan-draharaha teknika misahana ny jono sy fambolena / fiompiana anaty rano. Marihina fa  mifandraika indrindra amin’ny drafitrasan’ny tetikasa mandritry ny taona izany.

—————————————————————-

Mission d’appui au Projet SWIOFish2

Une mission d’appui au Projet SWIOFish2 vient d’être effectuée par la Banque mondiale du 17 au 21 juin 2019 à Antananarivo, mission dirigée principalement par Julien Million (Spécialiste Principal des Pêches, Chargé de Projet), Erik Reed (Spécialiste en Gestion des Ressources Naturelles, Co-chargé de Projet), et Laza Rakotondrasoa (Consultant en Gestion des Ressources Naturelles).

La mission s’est déroulée dans les bureaux de l’Unité de Gestion du Projet (UGP) à Soavimbahoaka et de la Direction Générale de la Pêche et de l’Aquaculture (DGPA) à Ampandrianomby, tutelle technique du Projet, avec la participation de toutes les directions technique de la pêche et aquaculture concernées par le Projet, la Coordination des Projets et des Organismes Rattachés (CPOR)et la Direction de la Programmation et de Suivi-Evaluation (DPSE) au sein du MAEP, ainsi que la Direction de la Dette Publique (DDP) du Ministère de l’Economie et des Finances (MEF).

Il a été discuté et décidé lors de la restitution finale de la mission par la Banque que, malgré la remontée de la note du Projet suite aux efforts fournis par l’UGP, le second semestre 2019 devra être une période durant laquelle les activités sous responsabilité des Directions techniques en charge de la Pêche et Aquaculture dans le cadre du Projet devront être exécutées au maximum par rapport au Plan de Travail Budgétisé Annuel (PTBA) du Projet.

Date: 17 juin 2019

Source: Communication MAEP

Retour

Comments are closed.