Madagasikara sy Maroc : Nahafapo ny fifanakalozana


Rehefa avy nihaona tamin’ ny tomponandraikitry ny Ministeran’ ny Fambolena, ny Fiompina ary ny Jono nandritry ny telo andro teto Antananarivo ny delegasionina marokanina dia nanantanteraka fitsidiana ifotony ireo toeram-piofanana tany amin’ ny faritra Antsirabe ny alakamisy sy ny zoma faha 20 sy 21 jiona 2019.


Notsidihana tamin’ izany ireo ivotoeram- pikaroana sy ireo ivotoerana fanofananan’ ny MAEP toy ny FIFAMANOR sy ny toerana fiompina omby vavy beronono Armor, ny CFFAMMA ary ny CSA na Ivontoerana Fandraharana ny Asa-pamonkarana Andranomanelatra.
Nandritra ireo fihaonana samihafa ireo dia nitafa sy nifampidinika tamin’ ny tomponandrikitra sy ny tekinisianin’ ireo ivotoerana ireo ny mpikambana tao amin’ ny delegasionina. Tanjona ny fampizarana ny traikefa sy ny fampahalalana ny zava misy izay iainan’ ireo ivotoerana ireo. Nanome torolalana mba hafahana manatsara ny rafi-pitantanana ireo ivotoerana ireo ny teknisianina marokanina.


Ho famaranana ny fitsidiana dia nisy ny fifampidinihana teo amin’ ny teknisianina roa tonta momba ny mety fanatsarana ny paikady sy politika entina hampivoarana sy ho fampiroboroboana ny sehatry ny Fambolena eto Madagasikara. Nambaran’ ny tekinisianina iray tao amin’ ny delegasionina fa nahafapo azy ireo ny fitsidihana sy ny fifanankalozana rehetra izay natao Ka nahafahan’izy ireo nahalala ny lanjan’ ny sehatry ny fambolena eto Madagasikara. Manantena izy ireo fa mety hanatsara sy hampivaotra ny fambolena ireo torolalana sy ireo fifanakalozankevitra maro notanterahina nadritra ny diany teto Magasikara ary manantena ny fanatsarana sy fanamafisana ny firaha-miasa eo amin’ ny Madagasikara sy Maroc. Nambara ihany koa fa hisy fitsidihana sy fifanakalozana hatao any Maroc hoan’ ny Malagasy.

Madagascar Maroc : des échanges fructueux

Après les rencontres avec les techniciens des diverses directions du Ministère de l’Agriculture de l’Elevage et de la Pêche (MAEP), la délégation Marocaine issue du Ministère de l’Agriculture de la Pêche Maritime du Développement rural, et des Eaux et Forêts a effectué des visites auprès des acteurs et maillons de la production.


Le 19 juin, la délégation a rencontré les membres de la Plate forme de Concertation et d’Appui à la filière baie rose. Puis le 20 et 21 juin, elle s’est rendue à Antsirabe, la ville qui a accueilli le Roi Mohammed V durant son exil à Madagascar. Des visites ont été organisées auprès des centres de formation et de recherche du MAEP tels que le centre FIFAMANOR et sa ferme de vache laitière Armor, le Centre de Service Agricole d’Andranomanelatra, le Centre de Fabrication, de Formation et d’application du Machinisme et de la Mécanisation agricole CFFAMMA).
Durant les rencontres, les techniciens de la délégation marocaines se sont entretenus avec les techniciens et responsables des centres pour partager leurs expériences et apporter leurs expertises et suggestions afin d’améliorer le développement et la performance de ces centres tant au niveau de la gestion qu’au niveau de la production.


A l’issue de la mission, des recommandations ont été émises par les membres de la délégation marocaine pour améliorer la stratégie et la politique global du MAEP. Selon un technicien membre de la délégation, les échanges ont été fructueux et enrichissants: « Nous avons vu et constaté le poids du secteur agricole à Madagascar. Nous espérons que nos expertises puissent être utiles pour que Madagascar puisse aller de l’avant. Nous espérons également que la coopération Madagascar-Maroc dure et puisse évoluer »a-t-il déclaré. La descente s’est achevée dans de bonnes conditions avec en perspective l’arrivée des techniciens malgaches au Maroc à l’avenir.

Retour

Comments are closed.