Madagasikara sy Maroc: fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ ny sehatry ny Fambolena.

 Nandray  ny delegasionina Marokanina avy ao amin’ny Ministeran’ny Fambolena, ny Jono an-dranomasina, ny Fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra, ary ny Rano sy ny Ala ny teto anivon’ny Ministeran’ny Fambolena ny Fiompiana ary ny Jono [MAEP] nanomboka ny Alahady 16 jona 2019. Ity fitsidihana ity dia tafiditra  ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny Madagasikara sy Maroc, eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiaraha-miasa  « sud-sud » eo amin’ny telo tonta Madagasikara, Maroc ary ny FIDA.

Efa an-taonany maro i Madagasikara no nanana fifandraisana matotra tamin’ny Maroc ary manana tantara mifamatotra amin’ireo vahoaka marokanina. Hatramin’izao i Maroc dia mbola isan’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny Madagasikara. Nandritry ny fitsidihan’ny Mpanjaka marokanina   Mohammed VI ,taty Madagasikara tamin’ny taona 2016, dia mbola nohamafisina izany fiaraha-miasa izany tamin’ny alalan’ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny sehatra maro.

Raha ny sehatry ny fambolena manokana no resahana dia mbola vonona hatrany izy ireo hanampy tosika an’i Madagasikara ary koa hizara traikefa amin’ireo teknisianina eo anivon’ny Ministera. Ny fomba fanatanterahana ny fifanaraham-piaraha-miasa dia efa nanomboka tamin’ny fiaraha-miasan’ ny FOFIFA sy ny OCP.  Anisan’ny vokatr’io fiaraha-miasa io ny fanofanana ireo teknisianina, amin’ ny fanatsarana ny nofontany sy fampitaovana ny laboratoara miisa 2 an’ ny FOFIFA.

 Anisan’ny antodian’izy ireo ihany ny fifampizara traikefa amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra sy famelabelaran-kevitra amin’ny loha-hevitra maro,  toy ny ‘’Plan Vert Maroc’’ izay nahafahan’izy ireo nivoaka tamin’ny krizy 2008, ny Agropole, « l’agrégation et l’interprofession », ny  famatsiam-bolam-pambolena, ny fampiofanana ara-pambolena, ny fahasalaman’ny biby ary ny fampitomboana ny biby. Nandritra ity dian’izy ireo ity ihany koa no nisafidianan’izy ireo mpianatra enina mba hanohy fianarana any amin’ny toeram-pampianarana ambony ‘’Institut Agronomique et Veterinaires Hassan II’’.

Misy ihany koa ny fitsidihanan’ ireto delegasionina marokanina ireto ny ivon-toeranam-panofananan’ny Ministeran’ny Fambolena , ny Fiompiana ary ny Jono, toy ny EFTA, CFFAMMA ary FIFAMANOR. Ny fitsidihana ny tananan’Antsirabe moa no hamaranan’izy ireo ny fitsidihany eto Madagasikara.

Coopération Madagascar- Maroc. Renforcer la coopération dans le domaine de l’ Agriculture.

Le Ministère de l’Agriculture de l’Elevage et de la Pêche (MAEP) accueille depuis dimanche 16 juin 2019, une délégation  issue du Ministère de l’Agriculture, de la Pêche Maritime, du Développement Rural, et des Eaux et Forêts du Royaume du Maroc. Cette mission d’une semaine  entre dans le cadre de la collaboration entre Madagascar et Maroc dans le domaine de l’Agriculture et de la Coopération Triangulaire Sud Sud entre Madagascar, le Maroc et le FIDA. 

Madagascar entretient depuis des années, des liens forts et une histoire commune avec le peuple marocain. Aujourd’hui encore le Maroc reste un partenaire privilégié de Madagascar.  La coopération entre les deux pays a été renforcée par la signature des accords de coopération dans plusieurs domaines, lors du passage de son Altesse le Roi du Maroc Mohammed VI  à Madagascar en 2016.

En ce qui concerne le secteur Agricole, Le Maroc appuie des actions qui cadrent avec la transformation et la modernisation voulues pour le secteur Agricole Malagasy. La mise en œuvre de l’Accord de coopération a débuté par la collaboration entre l’Institut de Recherche Malgache FOFIFA et  la Fondation Office Chérifien des Phosphates (OCP). Les actions touchent d’une part le renforcement des capacités des techniciens  du Ministère dans les domaines de la fertilité des sols et  la fertilisation des cultures, les systèmes d’information géographiques appliqués à la cartographie des sols, ainsi que les analyses physico-chimiques liées à la qualité des engrais et d ’autre part l’équipement de 2 laboratoires de pédologie à Madagascar et l’organisation de la caravane agricole au niveau des principales régions agricoles.

La mission de la délégation sur le sol malgache a pour objectif de renforcer la coopération entre les deux pays mais surtout de marquer la volonté du Maroc à appuyer et développer le secteur agricole de Madagascar. Elle a une portée significative pour le Ministère  puisque la mission a également pour objet, de procéder à des échanges et partages d’expériences sur diverses thématiques dont: l’orientation stratégique du secteur Agricole,  le Plan Maroc Vert qui a permis au Maroc de surmonter la crise alimentaire en 2008, l’Agropole, l’Agrégation et l’interprofession, le financement agricole, la formation agricole et la santé animale, la production animale. Durant la mission, des étudiants seront sélectionnés  pour effectuer des études à l’Institut Agronomique et Vétérinaire Hassan II.

La délégation effectuera également des visites des divers centres de formations du Ministère de l’Agriculture de l’Elevage et de la Pêche telles que l’EFTA, FIFAMANOR et le CFFAMMA  et terminera sa mission par une visite symbolique de la ville d’Antsirabe.

Comments are closed.