Tagnamaro Fahatelo

Nanatanteraka ny hetsika Tagnamaro fahatelo ny mpiasa eo anivon’ny birao foiben’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, sy ny avy eo amin’ny sampan-draharaha rejionaly Analamanga ny Sabotsy 15 Jona 2019.

Tao amin’ny birao foibe Anosy no nanatanterahana ny hetsika ka ny fanadiovana ny tokontany manontolo anatiny sy ivelan’ny Ministera ary ny parking no natao tamin’izany. « Nahafinaritra ny fiaraha-mientana satria samy nitondra ny anjarabirikiny ny tsirairay. Izay raha teo moa no tanjona amin’ny hetsika tagnamaro dia ny fandraisan’anjaran’ny tsirairay sy ny fiaraha-mientana amin’ny maha-olom-pirenena », araka  ny fanazavan-dRamatoa Mpandrindra ny sampana fandrindrana ny fandaharanasa sy tetikasa ary ny rantsamangaika eo anivon’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, RAHARINOMENA Fanja.

———————————–

La réalisation de la troisième Tagnamaro pour les agents du Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche s’est tenue au niveau du bureau central Anosy, le samedi 15 juin 2019.

Les activités consistent au nettoyage de la cour, du parking et des alentours de l’enceinte du Ministère. « Les agents ont participé massivement à cette initiative. Rappelons que l’objectif du Tagnamaro est la contribution et la sensibilisation communautaire ainsi que la participation citoyenne », a expliqué Madame le Coordonnateur de la Cellule de Coordination et d’appuis aux Projets/Programmes et Organismes Rattachés du MAEP, RAHARINOMENA Fanja.

Date: 15/ 06/2019

Retour

Comments are closed.