Atrikasa fitantanana ifotony maharitra ny harena an-dranomasina sy ny fiompiana anaty rano.

Vonona ny hifanampy sy hanamora ny asa ary hanome lanja ny sehatry ny jono sy ny harena anaty rano ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, sy ireo mpiara- miombon’antoka isan-tsokajiny. Nanatanteraka atrikasa ho fitantanana maharitra ifotony ny harena an-dranomasina tao amin’ny DLC Anosy ny 12-13 Jona 2019, izay niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antokaara-bola sy fitantanana ary ny Vondron’Olona Ifotony.

Natao hifampizarana ny fahaiza-manao sy ny traikefa ary indrindra mba hampitoviana ny fomba fijery amin’ny fitantanana ireo harena anaty rano ireo ny anton’izao atrikasa izao. Tanjona amin’izany ihany koa ny hametrahana miaraka ny fitantanana ifotony maharitra. Tafiditra ao anatin’izany fitantanana izany moa ny fahafantarana ireo harena voajanahary an-dranomasina ireo, ny fiahiana azy, ny fitaovana ampiasaina sy ny fitantanana ny olona manodidina azy, etc.

Mitondra ny anjara birikiny ihany koa ny WWF, amin’ny fampiroboroboana ny fitantanana ny harena voajanahary mba ho lovainjafy tokoa ary miara-miasa feno amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono sy ireo vondron’olona ifotony izy amin’ny fanatanterahana izany, hoy ny fanampim-panazavana nentin’Andriamatoa Talen’ny Fiarovana ny tontolo iainana ao amin’ny WWF, Tiana RAMAHALEO.

Aoaorian’izao atrikasa izao no hijerena ifotony ny lesoka tokony hatsaraina araka ny tokony ho izy mba hipaka amin’ny fitantanana ifotony.

—————————————————

Atelier pour la gestion communautaire durable des ressources naturelles

La valorisation et la gestion durable des ressources naturelles marines est une des activités primordiales pour le Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche (MAEP) pour atteindre  ses objectifs par rapport à la vision de l’Etat. En collaboration avec le WWF, le MAEP a organisé un atelier de 2 jours (le 12 et 13 juin 2019) au DLC Anosy.

L’atelier se focalise sur la gestion communautaire des ressources naturelles à Madagascar. L’objectif de cet atelier étant de faire un partage et un échange des savoir-faire et d’expérience  sur la gestion des ressources naturelles entre les acteurs, dans le but d’ajuster  leurs points de vue et leurs méthodologies de travail sur la gestion communautaire durable des richesses naturelles. La compréhension des pratiques de gestion, les types de matériel à utiliser sur l’exploitation et la gestion des populations locales ont constitué la gestion.

Pour sa part, le WWF participe également à la promotion de la gestion durable des ressources naturelles. Il collabore entièrement  avec le MAEP et les VOI à la réalisation de cette activité de gestion, a expliqué Tiana RAMAHALEO, Directeur de la protection de l’environnement au sein du WWF.

Cet atelier sera une opportunité pour toute l’équipe de gestion des ressources naturelles d’identifier localement les faiblesses afin d’ancrer la gestion communautaire au niveau local.

Date: 12/ 06/ 2019

Retour

Comments are closed.