AUGURE: Ho an’ny fitantanana mangarahara ny mpiasam-panjakana

Tapaka tamin’ny filan-kevitry ny Minisitra, ny 17 aprily 2019, ny fampitoviana ny fitantanana ny mpiasam-panjakana rehetra manerana ny Nosy. Fomba napetraka hahatongavana amin’izany ny fampiasana ny “AUGURE”, na haitao ara-kajy mirindra tokana ho fitantanana ny maha-olona eo anivon’ny fanjakana. Nomen’ny teknisiana avy amin’ny Ministeran’ny vola sy ny teti-bola fanofanana sy fanampiana momba izany ireo tompon’andraikitra misahana ny maha-olona eto anivon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana ary ny Jono (MAEP), ny 23 mai 2019 lasa teo. Izany dia natao teo anatrehan’Andriamatoa TILAHY Désiré, Sekretera Jeneralin’ny MAEP sy Andriamatoa IONIARILALA Rovasoa, Talen’ny maha-olona eo anivon’ny MAEP.

Tanjona amin’ny fampiasana ny “Augure” ny fiantohana ny fitantanana mangarahara amin’ny lafin’ny maha-olona eo anivon’ny fanjakana. Betsaka ny tombontsoa azo avy amin’ny Augure. Ampiasaina izy hoentina ahalalàna marina ny isan’ny mpiasa iantohan’ny tetibolam-panjakana momba ny karama (fonksionera, EFA, ECD, ELD). Izany dia ahafahana miantoka ny fandrindrana ny fitantanan-draharaha sy ny fitantanam-bola rehetra momba ny mpiasam-panjakana. Ankoatr’izay, manampy ihany koa ny “Augure” amin’ny fanànana vaovao tokana sady mitovy momba ny mpiasa eraky ny minisitera sy ny andrimpanjakana mampiasa azy.

Marihana fa ny sampan-draharaha misahana ny maha-olona eo anivon’ny MAEP dia efa nahatsangana ny tahirin-kevitra momba ny mpiasa rehetra ao amin’ny Minisitera.     .

AUGURE : pour une gestion transparente des agents de l’Etat

Suite au Conseil des Ministres du 17 avril 2019, les Ministères et Institutions étatiques devront désormais utiliser le logiciel «Augure » ou « Application Unique pour la Gestion Uniforme des Ressources Humaines de l’Etat » dans la gestion du personnel de l’Etat. Pour permettre une utilisation effective de cet outil, une séance de formation et d’assistance a été donnée le 23 mai 2019 par les agents de la Direction Générale de la Gestion Financière du Personnel de l’Etat (DGGFPE) aux agentsdu Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche (MAEP). La séance s’est tenue en présence de Monsieur TILAHY Désiréet de Monsieur IONIARILALA Rovasoa, respectivement Secrétaire Général du MAEP et Directeur des Ressources Humaines du MAEP.

L’Augure vise à assurer une gestion financière transparente et une gestion des ressources humaines efficiente pour l’Etat. Ce logiciel aidera les responsables du personnel à recenser les agents (fonctionnaires et contractuels, EFA, ECD, ELD) payés par le budget généralet à harmoniser leur gestion administrative et financière. Mais cet outil permettra surtout de constituer une base de données unique du personnel de l’Etat au niveau de chaque ministère et institution. Il s’agit alors d’un outil indispensable dans la gestion des ressources humaines, contribuant pleinement à la rationalisation et à l’optimisation du budget de l’Etat.

A noter que la Direction des Ressources Humaines du MAEP a déjà constitué les données issues du recensement de tous les agents du Ministère ainsi que leurs situations.

Comments are closed.