Ny toetrandro sy ny fambolena mifanindran-dalana

Anisan’ny tanjon’ny tetikasa fampifanarahana ny rojo-pihariana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro na PrAda, ny fanatsarana ny fahafahan’ireo mpisehatra amin’ny rojo-pihariana ara-pambolena misitraka toro-hevitra mifandraika amin’ny toetrandro. Taorian’ny fitsirihana ny vokatra efa misy sy ny fijerena akaiky ny filana ara-torohay momba ny toetrandro eny amin’ireo mpampiasa izany, dia tsikaritra fa mbola betsaka ny fanatsarana tokony atao. Anisan’izany eo amin’ny lafiny votoatony, ny fotoana ivoahany sy ny fitaovana entina hijerena izany torohay ara-toetrandro izany. Hita koa fa tsy tena voatrandraka tsara ny fampiasana ny fitaovana manaraka ny teknolojia amin’ny serasera entina hampitàna torohay. Manoloana izany, ny tetikasa PrAda sy ny Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono ary ny sampan-draharaha jeneraly misahana ny toetr’andro na DGM, dia nikarakara ny atao hoe “Production Innovation Lab” na “fikaroana vokatra vaovao” ny 14 ka hatramin’ny 17 mey 2019 lasa teo tetsy Ilafy.

Fiaraha-mikaroka vahaolana mifandraika amin’ny filàna

Niisa 40 ireo mpandray anjara, niara-nikaon-doha tamin’ity famoahana vokatra vaovao ity, izay nahitana ireo mpisehatra isan-karazany, tao ireo mpikirakira sy mpampiasa ny torohay amin’ny toetrandro, miankina sy tsy miankina, tao koa ireo mpikaroka. Ny tanjona dia ny hanolorana vahaolana manaraka ny teknolojia, manoloana ny fanamby izay mifandraika amin’ny fampitana sy fampiasana ny torohay momba ny toetrandro ary vokatra izay mamaly tanteraka ny filana.

Niaraka namolavola vokatra karazany enina (06) izy ireo ka ny fifanankalozan-kevitra sy traikefa ary ny fanehoana fahaiza-manao no tena hita nandritry ny fivoriana. Nentina teo anivon’ny mpitsara izay nahitana manam-pahaizana avy amin’ny MAEP sy ny DGM izany ary voasafidy handrobaka ny laharana voalohany ny “application” iray, izay nanana ny nampiavaka azy satria torohay tsotra ary mora ampiasain’ireo tantsaha momba ny famaritana ny mety ho toetry ny andro ao amin’ny faritra iray. Marihina fa ny fampiasana ity vokatra ity dia mila smartphone kanefa tsy voatery mampiasa Internet.

Teo am-pamaranana, ny solon-tenan’ny MAEP, Andriamatoa Pierrot Serge RANDRIANARITIANA sy ny DGM par intérim, Andriamatoa Zo RABEFITIA, dia samy naneho ny maha-zava-dehibe ny fahazoan’ny mpisehatra eo amin’ny fambolena ny torohay momba ny toetrandro ary koa ny maha-zava-dehibe ny fikaonan-doha toy izao eo amin’ny mpamatsy sy ny mpampiasa ny vokatra.

Marihina fa ao anatin’ny tetikasa PrAda sy ny fampiroboroboana ny rojo-pihariana iombonana eo amin’ny fandaharan’asa AFAFI-Sud, ny GIZ no voatendrin’ ny minisitera Federaly ny almanina eo amin’ny fiaraha-miasa ekonomika sy ny fampandrosoana (BMZ) sy ny Vondrona eropeanina, ho mpanantanteraka ny asa izay mitodika amin’ny fanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra amin’ny rojo-pihariana ara-pambolena voasafidy fa tena marefo amin’ny fiovaovan’ny toetrandro.

———————————————————-

La météo, donnée incontournable pour l’Agriculture

Le Projet Adaptation des chaînes de valeur agricoles au changement climatique (PrAda) veut améliorer l’accès des acteurs des chaînes de valeurs aux services de conseils agrométéorologiques et agricoles. L’analyse par les experts de la gamme de produits existants et des besoins en informations agrométéorologiques exprimés par leurs utilisateurs montre la nécessité d’apporter plusieurs améliorations sur différents aspects de ces produits, à la fois en terme de contenu, de fréquence, de format et de facilité de visualisation des informations. De plus, les canaux de transmission innovants basés sur les technologies d’information et de communication méritent d’être exploités pour la diffusion de ces produits. Ainsi, le PrAda, avec le Ministère de l’Agriculture, de l’Élevage et de la Pêche (MAEP) et la Direction Générale de la Météorologie (DGM), a organisé un « Product Innovation Lab » le14 au 17 mai 2019 à Antananarivo.

Product innovation Lab : co-concevoir des produits répondant aux attentes des acteurs

Une quarantaine de participants aux profils variés issus du secteur public et privé, de la recherche ou encore du développement et composé de fournisseurs et d’utilisateurs d’informations agrométéorologiques, se sont réunis afin de proposer ensemble des solutions innovantes aux défis liés au transfert et à l’utilisation des informations agrométéorologiques, et co-concevoir des prototypes de produits répondant efficacement à leurs attentes.

A cette fin, le lab était un espace d’échange centré sur l’utilisateur et ses besoins, qui faisait appel à des méthodes de travail dynamiques et décontractées, inspirées du modèle des start-up, afin de faire émerger des idées innovantes. Le prototype gagnant a été sélectionné sur la base de son contenu, de la créativité des concepteurs et de son caractère innovant. Il s’agit d’une application informant les agriculteurs, avec une géolocalisation fine et des messages très simples, sur les conditions agrométéorologiques de leur localité et fonctionnant à la fois en mode connecté et en mode hors connexion. Pour clôturer la session de travail, le représentant du MAEP, Pierrot Serge RANDRIANARITIANA et celui de la DGM, Zo RABEFITIA, ont évoqué l’importance de rendre disponibles les informations agrométéorologiques pour l’Agriculture et pour les fournisseurs et utilisateurs, de co-concevoir ces produits.

Notons que dans le cadre du Projet PrAda et de la composante “Développement des chaines de valeur inclusives” du Programme AFAFI-Sud, la GIZ a été mandatée par le Ministère Fédéral Allemand de la Coopération Economique et du Développement (BMZ) et l’Union européenne pour la mise en œuvre des activités qui visent l’amélioration de la performance des acteurs des chaînes de valeur agricoles sélectionnées, particulièrement vulnérables au changement climatique.



Comments are closed.