Ny Sehatra tsy miankina: andry mampiroborobo ny fandraharahana ara-pamokarana

Anisan’ny Mpisehatra lehibe amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana ara-pamokaranana “Agribusiness” ny Sehatra tsy miankina. Manoloana ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana sy ny Sehatra tsy miankina izay indrindra dia nikarakara atrikasa “Fifanakalozana eo amin’ireo sehatra tsy miankina ho fananganana paikadim-pampandrosoana sy fampiroboroboana ny “Agribusiness” eto Madagasikara ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono ny 21 Mey 2019, tao amin’ny CNEAGR Nanisana.

Tanjona ny hametrahana tontolom-barotra izay mandrisika ireo mpampiasa vola tsy miankina misehatra ao amin’ny tontolon’ny Fambolena, sy Fiompiana ary Jono.

Noho izany,ny tanjon’ity atrikasa izay nandraisan’ireo sampan-draharaha isan-tsokajiny eo anivon’ny Ministera sy ireo sehatra tsy miankina toy ny mpamatsy fitaovam-pamokarana, ireo mpanangom-bokatra, ireo mpanodim-bokatra, ireo mpizara masomboly ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola ity ny hanatsarana ny fifampiresahana eo amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina eo amin’ny sehatry ny Fambolena, sy Fiompiana ary ny Jono. Aoriana ity atrikasa ity dia hatsangana ny “vovonam-pimpanakalozana” mba hampiroboroboana ny fandraharahana ara-barotra eto Madagasikara, ny komitim-pimpanakalozana ary ny Ivontoerana Fandraharahana ara-pamokarana.

“Ny fomba fametrahana ny paikadim-pampandrosoana sy ny fampivoarana ny fandraharahana ara-pamokarana eto Madagasikara no ahafahana manamora ny fiaraha-miasan’ny Fitondram-panjakana sy ny Sehatra tsy miankina. Noho izany, apetraka voalohany indrindra ny lalàna mba hahafahana miantoka ny fampiasam-bola eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana eny ambanivohitra. Izany ihany koa dia manampy amin’ny fampivondronana ireo mpisehatra izany hoe ny mpandraharaha ara-pamokarana sy ny vondron’ny Mpamokatra”, araka ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny Fambolena eto anivon’ny Ministera, Lantonirina RAMAROSON.

Marihina fa ny fanatsarana ny tontolon’ny Fambolena dia tafiditra ao anatin’ny “Initiative Emergence Madagascar” ary manokatra pejy vaovao eo amin’ny tantaran’ i Madagasikara ankehitriny sady mametraka fanamby mba hahatongavana eo amin’ny fahavitan-tena ara-bary amin’ny taona 2020 sy ho sompitra ara-tsakafo aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana sy ny tapany afovoan’i Afrika amin’ny taona 2030. Tafiditra ihany koa izany ao anatin’ny Velirano faha 9.

Les secteurs privés : pilier de la promotion de l’Agribusiness

Les secteurs privés constituent les principaux acteurs majeurs dans la promotion de l’Agribusiness à Madagascar. Dans le cadre du partenariat Public-Privé, un atelier à thème « Atelier d’échanges avec le secteur privé dans le processus d’élaboration de la stratégie de développement et de la promotion de l’Agribusiness à Madagascar »  organisé par le Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche s’est tenu au CNEAGR Nanisana       le 21 Mai 2019, dans le but de mettre en place un environnement d’affaires favorable pour les Opérateurs Privés œuvrant dans les secteurs Agriculture, Elevage et Pêche.

En effet, cet atelier avait pour objectif d’améliorer le Dialogue Public-Privé dans le secteur Agriculture, Elevage et Pêche dont les participants sont constitués par les directions au sein du Ministère et les secteurs privés à savoir les fournisseurs d’intrants, d’outils de mécanisation, de collecteurs, les transformateurs et distributeurs de semences et les partenaires financiers.   A l’issu de cet atelier, une plateforme d’échanges en vue de l’élaboration de la stratégie de promotion de l’agribusiness à Madagascar, des comités d’échanges de la promotion de l’agribusiness et un Centre de Service Agricole seront créés.

« Le processus d’élaboration de la stratégie de développement  et de la promotion de l’Agribusiness à Madagascar permettra de faciliter le partenaire Public- Privé. L’élaboration des textes réglementaires devrait être primordiale afin d’assurer la sécurité et la sureté de l’investissement des secteurs privés. Cela permettra également d’aider les Opérateurs de Marché et les Organisations des Producteurs», a expliqué le DGA Lantonirina RAMAROSON.

Notons que l’amélioration de l’Environnement Agricole entre dans l’Initiative Emergence Madagascar, de son objectif N°9 de « Valoriser le potentiel Agricole, exporter des produits labellisés et transformés », afin de parvenir ainsi à l’ambition de Madagascar sur l’autosuffisance en riz de 2020.

Date: 21/05/2019

Source: Communication MAEP

Retour


Comments are closed.