Famerenana ny fandriam-pahalemana eo amin’ny lalam-pihariana omby

Notanterahina ny alakamisy 16 may 2019 tao amin’ny tsenan’ombin’ny kaominina Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava, ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny fametrahana ny “puce electronique” amin’ny omby.


Teo ambany fiahian’ny Filohan’ny Repoblikan’ny Madagasikara no natao izany lanonana izany, ary notronin’olo-manakaja maro. Fomba iray natao hamantarana manokana ny omby sy ny fihaviany ary hanarahana ny diany ny “puce électronique”.

Manampy ny tompon’omby amin’ny fitadiavana ny ombiny raha very na misy mangalatra. Izany teknolojia izany moa dia vokatry ny fikarohan’ny tanora manam-pahaizana malagasy ary voamarina fa tsy misy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny omby sy ny henany.


Ny Ministeran’ny Fambolena sy Fiompiana ary ny Jono dia manatanteraka, amin’ny alàlan’izao fametrahana ny “puce électronique” izao, ny programan’asan’ny Filohan’ny Repoblika ho famerenana indray ny fandriam-pahalemana eo amin’ny tontolo ambanivohitra. Faritra miisa telo: Bongolava, Melaky ary Menabe no hanombohana ny hetsika satria faritra mena amin’ny asan-dahalo.

VF:


Rétablir la sécurité dans la filière bovine


Le lancement officiel de l’implantation de la puce électronique bovine a eu lieu le jeudi 16 mai 2019 au marché de zébu de la Commune Urbaine de Tsiroanomandidy, dans la région Bongolava. La cérémonie a été honorée par la présence du Président de la République de Madagascar SEM Andry RAJOELINA, du Ministre de la Défense Nationale, le Général de Division Léon Richard RAKOTONIRINA et de nombreux officiels.


Le Ministère de l’Agriculture de l’Elevage et de la Pêche réalise, à travers l’opérationnalisation des puces électroniques bovines, le Velirano du Chef de l’Etat en matière de sécurisation de la filière bovine à Madagascar par l’éradication du vol de zébus.


Les puces électroniques permettent notamment de tracer la distance parcourue par les zébus et d’avoir des informations concernant leur santé .


Cette technologie est le fruit des recherches menées par un jeune intellectuel malgache, figurant parmi les jeunes encouragés par le Président de la République dans son programme Fihariana.

Retour

Comments are closed.