“Fièvre Aphteuse”: tsy manana ahiahy i Madagasikara

Nanatanteraka fidinana an-tsehatra tany Mahajanga ireo Foiben’ny sampan-draharaha mpitsabo biby, notarihin’Andriamatoa ANONDRAKA Michel, Tale Jeneralin’ny Fiompiana ny 07 ka hatramin’ny 10 Mey 2019. Tanjon’ity fidinana an-tsehatra ity ny fanaraha-maso ny fampiharana ny fepetra tokony raisina manoloana ny fidiran’ny « Fièvre Aphteuse » eto Madagasikara.

Nohamafisina ny fepetra fiarovana an’I Madagasikara

Anisan’ny aretina tsy hita eto Madagasikara ny « Fièvre Aphteuse » ary nahazoana sata manokana teo anivon’ny OIE nanomboka ny taona 2014 isika momba izay. Voasoritra kosa anatin’ny lisitry ny aretina ilàna fanaraha-maso anefa ny « Fièvre Aphteuse » eto Madagasikara.

Ny 18 Aprily 2019 dia nanambara ny fisian’ny « Fièvre Aphteuse » tao amin’ny nosy Mohéli, any Comores, ny Vondrona iraisam-pirenena misahana ny Fahasalaman’ny biby (OIE) araka ny fampahafantarana nataon’ny mpitsabo Youssouf Ousseni Moutroifi. Ny androtr’io ihany dia namoaka naoty ny Ministera mba hanamafisana ny fepetra hisorohana io aretina io.

Renivohitra mifandray tsy tapaka, na an-dranomasina na an’abakabaka, amin’ny nosy Comores I Mahajanga. Manoloana izany dia efa samy nandray ny fepetra sy ny anjara andraikitra tandrify azy avy ireo fikambanana sy vondrona miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, anisan’izany ny DRAEP, ny APMF, ny ao amin’ny haban-tseranana, ny Brigadin’ny Zandarimaria Nasionaly, ny orinasa Rainisoa 3D ary ny « Aviation Civile de Madagascar ». Efa tanteraka antsakany sy andavany ny fanadiovana teo anivon’ny seranantsambo sy ny seranampiaramanidina ary efa nampiharina sy nihatra ihany koa ny fepetra voasoratra tao anatin’ny naoty izay navoakan’ny Ministera ny 18 Avril 2019.

La Fièvre Aphteuse : aucun souci pour Madagascar 

L’Equipe de la Direction des Services Vétérinaires au sein du Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche, dirigée par le DGE, ANONDRAKA Michel, a effectué la semaine dernière une descente à Mahajanga pour renforcer les mesures de prévention contre l’introduction de la Fièvre Aphteuse (FA) à Madagascar.

Les risques de propagation sont maîtrisés à Madagascar.

La Fièvre Aphteuse fait partie des maladies officiellement absentes du territoire Malagasy et qui lui a valu l’obtention du statut indemne reconnu, par l’OIE depuis 2014. Néanmoins, elle figure dans la liste des maladies officiellement classées sous vigilance à Madagascar. Le 18 avril 2019, l’Organisation Mondiale de la Santé Animale (OIE) a alerté sur des cas de Fièvre Aphteuse dans l’Ile de Mohéli de l’Union de Comores.

Etant donné sa proximité avec les Comores via les liaisons maritimes et aériennes, Mahajanga constitue une porte d’entrée potentielle au virus. Raison pour laquelle, le même jour, le MAEP a sorti une note pour renforcer les mesures de prévention contre cette maladie. Les différentes entités publiques et privées et les parties prenantes de la ville, notamment la Direction régionale chargée de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche, les responsables au sein de l’Agence Portuaire Maritime et Fluviale (APMF), la Douane, la Brigade au port de la Gendarmerie Nationale, la Société Rainisoa 3D et l’Aviation Civile de Madagascar (ACM), ont exécuté des actions pérennes facilitant l’application des mesures de prévention. Des actions de désinfection ont été effectuées.

Source: Communication MAEP

Date : 10/ 05/ 2019

Retour

Comments are closed.