Kaomina Tankafatra : Tendro-pamokarana

Anisan’ny kaominina ambanivohitra ao amin’ny distrikan’ Andramasina i Tankafatra. Manana ny maha izy azy izy raha eo amin’ny sehatry ny Famokarana no resahina ary isan’ny sangany amin’ny famokarana ovy. Tonga nidina an-tsehatra nijery ny zava-misy teny an-toerana ny Minisitry ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono,Andriamatoa  Lucien RANARIVELO ny Asabotsy faha 04 May 2019 lasa teo.

Nifantoka indrindra tamin’ny fijerena ireo lemaka ny fidinana an-tsehatra satria hita fa maro ireo fotodrafitr’asa efa simba tsy nisy fanamboarana tao anatin’ny taona maro, araka ny fitarainana azo avy any  amin’ny Kaominina. Velaran-tanimbary manodidina ny 2000ha no tsy ampy rano.Olana sedrain’ny mpamboly ny tsy fisian’ny toha-drano, antony iray mampihena ny voka-bary any an-toerana. Eo ihany koa ny fisian’ny bibikely izay mamotika ny famokarana ovy ary tena olana ny fahalafosan’ny masomboly na ambioka sy ny zezika nefa ambany dia ambany ny sarany hivarotana ny vokatra.

Hiteraka fihavaozana indray ho an’ny Kaominina ambanivohitra Tankafatra noho izany ny fametrahana ireo foto-drafitr’asa ary antenaina fa hahazoam-bokatra.

Nambaran’ny Ministry ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono fa tsy nijanona hatreo amin’ny seha-pamokarana ny tenany fa nijery ny lafiny hafa izay manahirana ny mponina toy ny sehatry ny fitsaboana, ny fampianarana, sns ary tsy mitsahatra ny mitady vahaolana mba hisian’ny fampandrosoana  marina eny ifotony. Anisan’ny zava-dehibe ihany koa hoy Andriamatoa Minisitra ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy amin’ny alalan’ny fametrahana governora ary izany dia anisan’ny ezaka tian’ny fitondram-panjakana apetraka .Nohamafisiny fa ny fidinana an-tsehatra no tena ahitana ny zava-misy marina tokony ho vahana mba hiteraka  fampandrosoana.

Commune rurale Tankafatra: Pôle de production

La commune rurale Tankafatra, fait partie des communes pôles de production dans le district d’Andramasina, Région Analamanga, notamment dans la production de pomme de terre.               Le Ministre de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche, Fanomezantsoa Lucien RANARIVELO a  effectué  une descente dans cette commune le samedi 04 Mai 2019, avec l’équipe de la Direction Génie Rurale.

La descente sur terrain s’est focalisée sur l’aménagement des périmètres qui constituent la principale source de développement de la production rizicole. Le réaménagement des infrastructures, entre autres les barrages d’irrigation,  est une priorité pour la commune selon              les souhaits de la population locale.  Environ 2000ha de terrain nécessitent une irrigation. L’absence des barrages qui réduisent la production rizicole, les insectes qui détruisent les pommes de terre, et le prix élevé des semences et engrais sont des problèmes rencontrés par les paysans sollicitant des soutiens.

La mise en place des infrastructures et l’appui  matériel des paysans pourraient apporter une innovation et un développement pour la commune et qui lui seraient productifs et bénéfiques.

Le Ministre, en tant que membre du gouvernement Malagasy, a aussi saisi cette occasion pour visiter les infrastructures des autres secteurs à savoir la santé et l’éducation, pour constater de visu et identifier les difficultés rencontrées par la population locale, et d’apporter des solutions pour la promotion du développement local .Selon Monsieur le Ministre, « la décentralisation à travers la mise en place des gouverneurs locaux, un des objectifs de l’Etat Malagasy, est primordiale si on veut surement contribuer au développement local ».

Date: 04 Mai 2019

Source: Communication MAEP

Retour

Comments are closed.