Fanatratrarana ny « Contrat/ Programme » : mazava ny anjara asan’ny DRAEP sy Tetik’asa/Fandaharan’asa ary ny Rantsamangaika eo anivon’ny Ministera

Nanatanteraka fivoriana niaraka tao amin’ny CNEAGR Nanisana ny 03 Mai 2019 ireo mpikambana ao amin’ny kabinetran’ny Ministeran’ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono, ireo talem-paritry ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono, ireo Mpandrindra nasionalin’ny tetik’asa sy ny fandaharan’asa  ary ny rantsa-mangaika eo ambany fiahian’ny Ministera,  ireo tale isan-tsokajiny eo anivon’ny Ministera.

Natao ity fivoriana ity mba hametrahana fomba fijery  mitovy sy làlana iraisana ahafahana mampitovy ny fomba fiasa manerana ireo foibem-paritra misahana ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono izay iantefan’ny fampandrosoana; ary indrindra ny fandinihina miaraka ny « Contrat/ Programme » sy ny fomba hanatratrarana izany. Nandritra izany no nanaovana famelabelarana feno mahakasika ity “Contrat/ Programme” ity, narahin’ny asa an-tarika izay nandravonana ny zava-misy eo amin’ny sehatra telo mandrafitra ny Ministera dia ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono.

Nahazoam-bokatra ny fivoariana ary hita taratra fa hitondra fiovana  eo anivon’ireo foibem-paritra, indrindra amin’izao fidirana ao anatin’ny vanim-potoana vaovao izao ny volana Jolay izay hanaovan’ny Fitondram-panjakana indray tomban’ezaka manoloana ny vina izay napetraka. Amin’izao fotoana moa ny Ministeran’ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono dia mampandray andraikitra feno ireo foibem-paritra amin’ny fanatratrarana faran’izay haingana ny tanjona napetraka.

Les membres du Cabinet du Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche, les Directeurs Régionaux de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche (DRAEP), les Coordonnateurs Nationaux des Projets/ Programmes et les Organismes Rattachés sous tutelle du MAEP, et les Directeurs au niveau du MAEP se sont réunis au CNEAGR Nanisana le 03 Mai 2019.

Cette réunion à thème « Journée de prise en main et alignement des responsables du MAEP » avait pour objectif, en premier lieu, de mettre en place les méthodologies de travail et les lignes directives communes à toute l’équipe STAFF du MAEP afin de réaliser à terme le « Contrat / Programme du MAEP », et ensuite de coordonner les tâches respectives des DRAEP qui sont les acteurs principaux du développement agricole et rural. Cette réunion était également une occasion pour les responsables de présenter le « Contrat/ Programme » du MAEP notamment l’explication des activités à réaliser, suivi d’un travail d’équipe focalisé sur les activités/ actions respectives aux trois secteurs du Ministère : Agriculture, Elevage et Pêche.

La réunion est en somme, une réussite pour l’équipe du MAEP et apporterait un changement au niveau des DRAEP, notamment en cette période d’évaluation de l’Etat Malagasy le mois de juillet prochain face aux visions inscrites dans son programme. Le Ministère a promu également la participation massive des DRAEP pour l’atteinte de leur objectif.

Date: 03/ 05/ 2019

Source: Communication MAEP

Retour

Comments are closed.