FANATSARANA NY FITANTANANA NY JONO AO TOLIARA

Mampitaraina ny mpanjono sy mpiandriaka madinika ao amin’ny faritr’i Toliara amin’izao fotoana ireo sambo miisa 6, avy amin’ny orin’asa MAPRO SUD (orin’asa sinoa) izay mampiahiahy ny rehetra.

Anisan’ny Tanjona iray lehiben’ny fitondram-panjakana  moa ny ahafahan’ny mpanjono madinika mivelona ara-dalana satria mahatratra 1 500 000 eo ho eo ny vahoaka madinika miaina sy mivelona amin’ny fanjonoana amin’izao fotoana.

Tsiahivina fa ny taona 2016 dia nahazo alalana avy amin’ny fitondram-panjakana teo aloha ireo sambo lehibe ireo ary tokony nifarana ny volana  desambara 2018 ny fitrandrahany.  Mbola nanohy ny fitrandrahana anefa izy ireo ka ny 19 febroary 2019 dia nomena ny taratsy fampiatoana . Hita anefa fa mbola mitohy hatrany izany fitrandrahana taorian’ izany.

Manoloana izany dia nandray fepetra indray ny fitondram-panjakana malagasy  tamin’ny alalan’ny Ministeran’ ny Fambolena, ny Fiompiana sy Jono, ka ny 12 martsa 2019 dia nisy ny taratasy nomena ny tompon’andraikitr’io orin’asa io, izay mandidy ny hampiatoana ny sambo ao amin’ny seranan’ny Toliara ary hampiakarana ny tantsambo rehetra an-tanety. Sazy enjana no miandry io orinasa io raha toa ka mbola manohy ny fitrandrahany izy.

Efa misy ihany koa  ny fikarakarana ny famoahana didim-panjakana  mamaritra ny faritra voatondro hitrandrahan’ny mpanjono madinika sy ny mpanjono vaventy ary efa nisy moa ny fifanantonana teo amin’izy ireo sy ny  Ministera

Nanamafy ihany koa Ministeran’ny Fambolena, Fiompiana sy ny Jono fa raha misy mahita toe-javatra tsy ara-dalana miantraika amin’ny fiainan’ny vahoaka madinika dia misokatra ny varavarana ary afaka mandray ny Ministera miandraikitra izany amin’ny alalan’ny maso ivoho any amin’ny faritanin’ny Madagasikara. Izy ireo rahateo moa dia manome tsy tapaka ny vaovao misy any amin’ny faritra. Tokony tsy hatahotra ary mahazo mahatoky noho izany ny mpanjono madinika fa miaro ary hiaro azy ireo ny Ministera; satria izany indrindra moa ny antom-pisiany : hiaro ny vahoaka, hiaro ny fiharian’izy ireo, ary hiaro ny firenena, araka ny fanazavan’i Ramatoa Tale Jeneralin’ny Jono sy ny Fambolena anaty rano, RASOAMAHENINA Fara Esther.

Source: Communication MAEP

Date: 13/03/2019

Retour

Comments are closed.