Kabarin’Andriamatoa Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, RANDRIARIMANANA Harison, nandritry ny fety fiarabana tratry ny taonan’ny mpiasan’ny Minisitera, ny 11 Janoary 2019 tao amin’ny Yandy By Pass

Tompokolahy sy “Tompokoampela,”

Ry namana mpiara-miasa

Ny voalohanteniko dia ny fisaorana an’Andriamanitra lehibe noho ny fahasoavany sy ny fitahiany amin’izao andro izao ka mbola nahafantsika nanao an’izao fifampiarahabana amin’ny nahatrarana ny taona vaovao izao.

Manaraka izay dia mankasitraka anareo tamin’ny fiarahabana sy firariantsoa natolotrareoho ahy sy ny ankohonako.

“Izay tsara fanomboka soa fiafara” hoy ny fitenenana. Koa amin’izao fiandohan’nytaona vaovao izao dia faly tokoa ny tenako sy ny fianakaviako iray manonotolo,manolotra anareo namana mpiara-miasa, ny arahaba ombam-pirariantsoa. Hitondra fahasalamana,fahombiazana amin’ny lafiny rehetra, fanambinana ary fifaliana anie izany TaonaVaovao 2019 izany. Samy ho sendra ny soa mahasondrina, ho tojon’ny mamy mahaliana. Hotahian’Andriamanitra anie isika mianakavy.

Tompokovavy sy Tompokolahy

Raha tsiahivina dia nanomboka tamin’ny 12 oktobra2017 no niverina indray niara-niasa ny nanao fanamby taminareo ny tenako. Tsy nanano sarotra anefa izany satria tany efa voa-asa tsara no novantanina tamin’izany. Ny Président Rivo Rakotovao tokoa no nodimbiasina ary izay làlana efa tsara soritra nataony ihany no nizorana sy nohamafisina, hany ka vetivety dia nahitam-bokatra ny asa notontosain-tsika niaraka. Sady rahateo, ny ezaka rehetra natao dia tao anatin’ ireo soatoavina telo dia ny:

·         Fitiavan-tanindrazana « patriotisme »
·         Fahamendrehana sy ny Fahamarinana « integrité »
·         Fiaraha miasa « esprit d’équipe »

Ireo soatoavina na valeurs ireo no napetraka sy nifandresen-dahatra dia mba afahantsika mananteraka antsakany sy andavany ny iraka anjaran’i MINAE dia nyfanohanana sy fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra eo amin’ny lafiny fambolena sy fiompiana.

Handeha ary ho tarafintsika vetivety amin’ny alalan’ireo soatoavina 3 imatimatesantsika ireo iny taona 2018 iny kazava-bita andaniny, ary ny madilana ho tentenina ankilany.

Voalohany: ny Fitiavan-Tanindrazana, izay midika FIROTSAHANA AN-TSEHATRA eo anivon’ny Tantsaha, ary koa TSY FIVADIHANA AMIN’NY VELIRANO nifanaovana, dia nyFAMPANDROSOANA ny TONTOLO AMBANIVOHITRA:

Tsy mitsanga-menatra ny MinAE,Tompokolahy sy Tompokovavy! Aman-tapitrisa ny tantsaha nisitraka ny zava-bita:lakan-drano aman’hetsiny kilometres, zanak’akoholalahy aman’hetsiny, zezika sy masom-boly aman’aliny taonina, fanajariana fari-pamokarana aman’aliny hectares,fitaovam-pambolena sy fiompiana aman’arivony, tranombokatra, sekoly sy toeram-piofananan’ny tanora, orinasa sy fikambanam-pamokarana, tetikasa amam-polony sns… Tsy maintsy nifandrindra tamin’ny fikajiana hatrany ny tontolo iainana sy ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro ny asa natao rehetra toy ny fikarohana,ny famokarana sy fiompiana maharitra mitsinjo ny aha-matianina ny tantsaha, ny fisokafana amin’ny tsena, ny fandraisana anjara mavitrika amin’ny fisitrahan’ny tantsaha ny tanin-drazany, sns…

Tsy ho àry ho voatanisa eto sy ankehitriny avokoa ny firotsahantsika an-tsehatra ho an’ny TANINDRAZANA iraisana, koa mankasitraka anareo amin’izany.

Faharoa : Ny Fahamarinana, izay hiantoantsika fa ho foanan-tsika  ny kolikoly, ny kitrano an-trano, ny manao “30 andro, fanjava raiky”,ny fanodinana tsenam-baro-panjakana (marchés publics), na vola, na fitaovam-panjakana ! IANAREO NO NATAO MASOIVOHO, HIDI-TRANO MIANTOKA NY ALINA, koa aoka ho mendrika ny fahatokisana apetraka aminareo, hoy aho taminareo tamin’ny herintaona lasa. Ekena fa nisy ny madilana tsy maintsy notentenina toy ireo resaka faux diplomes, faktiora Jirama, fitaovana simbana very sns… Ary tsy maintsy nanitsy ny meloka isika tamin’izany. Amin’nyankapobeny dia notazomintsika izany FAHAMARINANA izany tamin’izay rehetra natao.

Izany no tsy maintsy anehoako aminareo ny FANKASITRAHANA, ny fisaorana eram-po, eran-tsaina, ny amin’ny ezakareo manatsara hatrany ny omaly, hahazona vokatra tsaratsara kokoa ny ampitso! Io ilay ataontsika hoe “AMELIORATION PERMANENTE!»

Fahatelofarany: Ny Firaisan-kina ( Esprit d’Equipe), izay midika fahaiza-miara-misalahy, ka samy mitondra ny talentany, anaty tsy fijerena arina an -tavan-drahalahy ! Ity soatoavina ity no tena maha-te-hideraanareo :

Satria tokoa dia azo lazaina fanarodantsika ny efitra maro nampizarazara tato amin’ity Ministera ity: toy ny”central sy régions”, “Agri sy Elevage sy GR sns…”,” Admin sy Tech “, “Cabinet sy Opérations”…

Koa na teo aza ny nisy nanararaotra ny fikorontanana ara-politika nentin’olom-bitsy avy tany ivelany tamin’ny volana avril 2018, dia tsy nahavakivaky ny “tranoben’ny MinAE” izany!Porofon’izany ny “ambiance” tamin’ilay fialamboly kely natao teny Ambohimanga.

Koa misaotra antsika rehetra aho tamin’ireo ezaka rehetra nataon’ny tsirairay. Niezaka hatrany isika rehetra ny hanatsara ny Ministera tamin’ny fanavaozana ny fomba fitantanana sy ny fomba fiasa izay sahintsika ny milaza eto fa nahazo vokatra maro azo refesina isika raha ny Fampandrosoana eny ambanivohitra no resahina indrindra teo amin’ny fanatsarana ny sampan-draharaham-panjakana mba hanatontosana ny fampiharana nyprograma teo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana.

Tompokovavy sy Tompokolahy

“Tsy sanatria midera-tena toa ny papelika aho” raha nampiseho ny santionany taminareo teo ireo zava-bitan’ny Ministera, fa toy ny “mampidera vady mahay mandihy tokoa ka ao ny sandriny hilaza azy”.

Maro ny ezaka efa natomboka ary mbola be ireo miandry, toy ny mamboly vary tokoa mantsy ny fiainanaka tsy maintsy mamafy aloha, izay vao manetsa raha toa ka te-hijinja. Izaho manokana dia resy lahatra ary afa-po tamin’ny asa nirahantsika nanatontosa teto amin’ity Ministera ity.

Vonona i Madagasikara eo amin’ny lafiny fampandrosoana aram-Pambolena sy ny Fiompiana,nanao isika ary efa mandroso makany amin’ny fahavitantena ara-bary i Madagasikara, izay tanjona napetra-tsika ho tratrarina amin’ny taona 2020. Tsy lavitra izany fa miherina ny taona dia ho tonga ilay fotoana nifanomezana.

Manomboka amin’izay koa ilay programa lehibe iarahan’ireo Firenena mpikambana ao amin’ny Ranomasim-beIndiana na COI, antsoina hoe PRESAN na Programme Régional de Sécurité Alimentaireet de Nutrition. Ny tanjona amin’izany dia ny ahatonga an’i Madagasikara ho sompitra ara-tsakafo aty amin’ny Ranomasim-be Indiana sy Afrika Atsinanana ain’nytaona 2030.

Koa mampirisika hatrany anareo ny tenako, tsy maintsy mifanome tànana isika, ary mila misiki-ponitra amin’ny fanohizana ary indrindrany fiarovana ny ezaka efa vita.

Aoka tsy hijery olona isika, satria isika dia mpiasampanjakana/mpiasambahoaka manatanteraka sy manamora izany fianan’ny vahoaka izany ary rehefa miova nympitondram-panjakana dia tsy midika izany fa hiova koa ireo mpiasam-panjakana satria ny asa atao dia mitohy hatrany. Ny Firenena no aoka no hojerena ary izay hampandroso an’i Madagasikara no tanjona (soatoavina voalohany). Efa naverimberiko tamintsika ny hoe “ny antom-pisiantsika ato amin’ny MINAE dia ireo tantsaha maro an’isa 80% mivelona eny amin’ny tontolo ambanivohitra” izay mbola tena sahirana tokoa amin’izao fotoana izao.

Raha atao sarisary dia toy ny olona tsy mahay milomano nefa latsaka andrano ireo tantsaha madinika ireo, ny natontsika hatramin’izay ka hatramin’izao dia vaotafavoaka ny vavorony dia lasa isika, hany ka nilentika indray izy ireo. Ka ny nataontsika dia tsy niala mihintsy isika raha tsy mba tafavoaky ny rano koa ny tànan’izy ireo ka na dia tsy mahay milomano aza izy rehefa mihetsiketsika eo ny tànana dia tonga eny amin’ny morona ihany ny farany. Raha fehezina izany dia tsy maintsy fotoana maharitra no hanohantsika an’ireo tantsaha mpamokatra vao tena ahazo vokatra isika.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Herintaona sahady izao no nihaonantsika mpiara-miasa, mpiray antoka, fianakaviamben’ny MinAE, teto amin’ity toerana ity, ny 15 Janoary 2018.

Ity Ministera ity no maha-iray vatsy antsika, ary sehatra ivelarantsika, ahafahantsika manompo ny ankohonantsika sy ireo mpisehatra rehetra mivelona eny amin’ny tontolo ambanivohitra.

Koa inona ary no miandry antsika amin’ity taom-baovao ity?

Iaraha-mahalala ny toerana misy ny tontolo ambanivohitra eto amin’ny Firenentsika na amin’ny lafiny toekarena izany na ny lafiny sosialy.

Ny maro an’isa amin’ny vahoaka malagasy tokoa dia mivelona amin’ny fiarihana eny amin’ny tontolo ambanivohitra.

Natomboka tamin’iny taona 2018 iny fametrahana sy fanombohana ny fanatanterahana ny politika sy paik’ady matotra ho fisandratan’ny fambolena sy fiompiana. Satria tokoa mantsy dia nihompana fotsiny tamin’ireo fiariham-pamokarana tantanam-pianakaviana na exploitations agricoles familiales ny ezaka rehetra natao teto amintsika nandritra izany dimam-polo taona mahery izay. Nohavaozina sy nohatsaraina izany ezaka izany ka nampifandraisina tanteraka ireo mpisehatra rehetra telo lehibe dia ireo tantsaha mpamokatra, ireo mpisehatra lehibe amin’ny asa fambolena sy fiompiana mivantana na agri-business ary ireo mpanodina ny vokatra na agro-industrie.

Manoloana ny toe-draharaha handalovan’ny Firenena ankehitriny, ny tenako dia sahy mirehareha fa anisany nahavita asa betsaka teo amin’ny lafiny fampandrosoana teto amin’ny firenena isika, ary handray asa efa tsara fototra izay hanohy izany avy eo.

Alohan’ny hamaranako ny fitenenana dia manolotra anareo rehetra tsy ankanavaka na ianareo tonga eto androany na ireo namana mpiara-miasa tsy miaraka amintsika eto androany indrindra fa ireo any amin’ny faritra, ny fisaorana feno sy ny fankasitrahana tamin’ny fiarahan-tsika nandritra izay 15 volana na raha avadika ho andro dia 457 andro izay. “Soa ny fiarahantsika” teto nandritra izay fotoana izay, ka Andriamanitry ny fahasoavana anie hitahy hatrany ny dian-tsika mamakivaky ity Taona Vaovao 2019 ity.

Singaniko manokana amin’izany fisaorana izany ireo mpiara-maisa tamiko akaiky dia:

  • ireo “membres de Cabinet”,
  • ireo “Soviet Supreme na staff restreint SG, DirCab, DGAPB,DGA, DGE”,
  • ny Unité de l’Audit Interne et de Suivi des Organismes Rattachés
  • ny Unité de Gestion de Passation des Marchés sy ireo PRMP3 lahy
  • ary ny Cellule de Communication et des Relations avec les Médias

 Misaotra anareo tamin’ny fanohanana ny tenako Ministre, tamin’ny asa rehetra izay nataoko ary nahafantsika nahazoana vokatra tsara tokoa. Ary miombon-kevitra amiko tanteraka angamba ianareo raha hatsangan-tsika manokana koa i Mme Bebe, DGAPB sy ny ekipany (DRH, DFAR, DPBSE, DELC, SCP/P, SLP, Pool Financier BAD)…misaotra anao izahay Mme DG, fa izay tsy te ahita angamba no tsy mahita, fa matoa izahay tato amin’ny MINAE nahazo vokatra tsara toy izay voalaza teo, dia ny toeram-piasanay no maha-te honina, ny tontolo iananay no tomombana na amin’ny lafiny fitaovana izany na amin’ny lafiny ho enti-manana, marina fa mbola tsy tonga lafatra izany fa niaraha-mahita tokoa ny fanatsarana netinao sy ny ekipanao.

 Tompokolahy syTompokovavy

Iarahantsika mahalala fa mazava tsara ireo iraka roa niantsorohan’ity Governemanta nisy ahy ity izay nitsangana tamin’ny volana Jona 2018 teo tao arinan’ireny korontana teto amintsika ireny,dia voalohany ny fanomanana sy fanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Repoblika ao anatin’ny fitoniana sy filaminana ary faharoa ny fanohizana ireo ezaka fampadrosoana. Koa afaka milaza isika fa nahatontosa antsakany sy andavany ireo iraka nampanaovy azy ireo ny Governemanta. Satria tokoa mantsy nivoaka iny ny didim-pitsaran’ny HCC ka nahazo Filohan’ny Repoblika vaovao I Madagasikara. Isika dia manaja ny tany tan-dalàna, ary ny Président Hery Rajaonarimpianina no nampiseho izany, tamin’ny fametraham-pialany satria ho candidat izy. Koa manolotrany arahaba an’Andriamatoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Andry Rajoelina isika tamin’ny nametrahan’ny mpifidy maro an’isa ny fitokisany azy.

Mirary soa ho anao izahay fianakaviamben’ny mpiasan’ny Ministeran’ny Fambolena sy Fiompiana, Andriamatoa Filoha ary mitso-drano anao mba ahatontosanao antsakany sy andavany ny adidy mavezatra izay iantsorohanao eto amin’ny tany sy ny Firenena.

Eto ampamaranana dia tsotra ny hafatra apetrako amintsika namana mpiara-miasa. Ny mpitondra no mety miovaova fa ny làlana hizorana mankany amin’ny fampandrosoana maharitra ny tontolo ambanivohitra dia efa nosoritan-tsika mazava tsara. Izaho no handao ny toerana maha-ministry ny Fambolena sy Fiompiana ahy atsy ho atsy, fa ianareo kosa mbola mitoetra hanohy ny asa fampandrosoana ary mino sy manatena aho fa mbola hifanerasera eny amin’ny sehatry ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra eny isika, satria io ihany moa no mba kely ananan’ny tena traik’efa.

Tamin’ity fiverenako teto amin’ny MINAE ity dia nanana tanjona manokana aho dia ny fametrahana “masse critique” aminareo mpiara-miasa izay resy lahatra tamin’ireo valeurs sy ny tanjona niaraha-nametraka. Mino aho fa tratra izany tanjona manokana izany. Koa mahaleova, mahalasàna, satria ny vavolombelon’ny mpiasa dia ny bainga voavadika ihany! Asa Fiompiana sy Fambolena mahomby, Madagasikara mandroso sy misandratra.

Ho ela velona anie ny MinAE, ho ela velona i Madagasikara! Samia ho tahian’Andriamanitra daholo.

Koa ambarako izany fa MISOKATRA NY LANONANA ary FETY FIRAVORAVOANA no iarahantsika eto androany koa mahazoa fahafinaretana daholo.

Misaotra Tompokolahy, mankasitrakaTompokovavy !

Date:14/01/2019

Source: CCRM/MINAE



Comments are closed.