Fanambarana nataon’i Directeur Général de l’Elevage Docteur Raymond eto amin’ny Ministera misahana ny Fambolena sy ny Fiompiana, anio 18 Jona 2018.

 

Izao toe-javatra mitranga eto amin’ny firenena izao. Hita fa efa am-perinasa tanteraka ny governemanta vaovao, ka manana adidy sy andraikitra izahay mpiasa eto amin’ny Ministera misahana ny Fambolena sy ny Fiompiana, hanatantertaka ireo laminasa izay efa napetraky ny Ministre Harison RANDRIARIMANANA. Mijoro ankehitriny ny mpiasa rehetra ato fa hanohana ity Ministera ity mba hahafahan’ny Ministera mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra, ka eto izahay manambara fa tsy mankasitraka ny asa ataon’ireo mpanakorontana ireo mpiasa izay efa fantatra ny nataony teo aloha mila hanakorontana ny fampandehanandraharaha ato amin’ny Ministera. Toherinay marindrano izany asa fanakorontanana izany.

Ambara fa misokatra ary miasa ny MINAE eto Antananarivo eto Anosy, Ampandrianomby, Nanisana ka hatrany amin’ny faritra 22 sy ireo ratsa-mangaika ny Ministera manerana ny Nosy.

Date:18/06/18

Source: CCRM/MPAE

Retour

Comments are closed.