FEPA andiany faha-10: 03-06 May 2018

Nosokafan’Andriamatoa Minisitra   eo anivon’i Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fambolena sy ny Fiompiana tamin’ny fomba ofisialy ny 03 May 2018 ny FEPA na Foire de l’Elevage et des Productions Animales, teny amin’ny Centre ByPass Alasora. Novelabelarin’i Andriamatoa Minisitra tao anatin’ny kabarany tamin’ izany ny antony maha lehibe izany Tsenabe izany, ka noharabainy manokana ny Malagasy Professionnels de l’Elevage (MPE) mpikarakara ny hetsika.

Maro ny tatitra manambara fa, eran-tany, dia niroborobo fatratra ny fiompiana tato anatin’ny roapolotaona farany teo, ka lasa isan’ny nampandroso haingana ny seha-piharian-karena ambanivohitra, ary izany dia noho ny fivoarana haingana nisy teo amin’ny filan’ny olona sakafo avy amin’ny biby izay natosiky ny fitomboan’ny mponina sy ny fidiram-bolany tany amin’ny tany mandroso. Ary heverina fa mbola hitohy izany ato anatin’ny taona maro ho avy. Ho an’ny tany an-dalam-pandrosoana toa an’i Madagasikara, ny fiompiana dia mandray anjara be dia be amin’ny ady ho amin’ny fanjariana ara-tsakafo sy amin’ny fahantrana.Mahafeno andraikitr’asa maro ny fiompiana : ankoatra ny maha loharanom-bola sy sakafo azy, dia azo atao ho fitahirizana harena izy, atao antoka ho amin’ny findramam-bola, ary vatsim-pivelomana hiatrehana ny  maitso ahitra. Ny biby fiompy dia manampy betsaka ihany koa amin’ny asam-pambolena : azo omena ny biby ny sisa tsy ilaina amin’ny vokatra na famokaram-bokatra, ary manome zezika hanatsarana ny tany izy. 

80% ny malagasy dia tantsaha ary 70% amin’izy ireo  dia mpiompy avokoa, ny fiompiana ny biby madinika sy haingam-piodina toy ny akoho amamborona no tena maro-panao noho izy ireo izay tsy mila vola betsaka nefa dia manampy tokoa ny filana ara-bola ny tansaha indrindra amin’ny fotoan-tsarotra toy ny  fividianana fanafody raha misy marary, ny fividianana masom-boly amin’ny fotoam-pambolena, fanatanterahana ireo adidy maro samy hafa eo anivon’ny fianakaviana sy ny mpiaramoninaTsy ny akoho amam-borona ihany ny fiompiana madinika sy haingam-pihodina fa eo koa ny fiompiana tantely ,ny fiompiana  ny ondry aman’osy izay fahita indrindra any amin’ny  faritra atsimo sy avaratry ny nosy ary efa manomboka miha mahazo vahana koa izany amin’ny faritra afovoantany  sy ny ilany andrefana.Ho fanohanana ireo tantsaha sy ho fampidirana azy ireo ao amin’ny sehatry ny matihanina dia misy ireo tolotra omena sy fanampiana natao tohin’ny fizarana tranon-tantely manaram-penitra hahafahana mamokatra haingana sy hahafahana mifehy ny aretin-tantely,  ny fametrahana ireo toby fanangonana (centre de collecte) sy fanodinana (miellerie). Eny anivon’ny faritra izay mpamokatra tantely ( fampitaovana).Ny fiompiana ondry aman’osy dia isan’ny fiompiana tena mila tosika satria maro dia maro tokoa ny filana any ivelany nefa isika dia tsy afaka akory misedra izany tsena izany noho ny tsy  fahatomombanan’ireo paikady isankarazany enti- miatrika izany : toy ny fametrahana ny toeram-pamokarana ireo biby fakana taranaka mamokatra tsara kokoa sy haingam-pitombo “animaux performants” izay ho tantanan’ny fikambanana mpiompy eny anivon’ny faritra na dia efa maro aza ny efa voampetraka amin’izao fotoana izao, toy ny Toby hamokarana ondry sy osy voasedra “sélectionné”any Maevatanana , Ankilimary ary Antsiranana – ny Toby hamokarana kisoa tsara taranakaany Vangaindrano.

Mandray anjara feno amin’ny fanatanterahana ny Vina Fisandratana Mirindra ny asa fiompiana, dia ny ahatonga an’i Madagasikara ho sompitra ara-tsakafo eto anivon’i Ranomasimbe Indiana amin’ny taona 2030.Toy izao ary  no azo hamintinana ny paikady ho an’ny fiompiana ato anatin’ny folo taona  manaraka izao ahatrarana ny Vina :

  • Fiahiana ireo lalam-pihariana efa fanao mahazatra mba hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy amin’ny fahantrana (Sécuriser les filières animales traditionnelles pour assurer la sécutité alimentaire et nutritionnelle, et lutter contre la pauvreté)
  • Fanohanana ny fanondranana ireo voka-mpiompiana manana tombon-dahiny sy misy tsena any ivelany mba entina hampivoarana ny toe-karentsika (assurer la réouverture des marchés d’exportation pour des filières et marchés cibles pour stimuler la croissance économique)
  • Ny fametrahana sy fanohizana ary fandrindrana ny asa ataon’ireo tetikasa isan-karazany- miasa eny anivon’ny tantsaha toy ny tetikasa  AVSF, ASA, amin’ny fanaovana vakisiny ireo biby madinika  izay isan’ny antoka iray lehibe tokoa hiarovana ny biby tsy ho fatin’ny areti mifindra izay miteraka fahafatesana hatramin’ny 80% ny biby fiompy  ka miteraka fatiantoka ho an’ny mpiompy.
  • Ny nametrahan’ny fanjakana ny toeram-panofanana ny tanora eny anivon’ny faritra ny CEFTA ,  CAFPA ,ny tetikasa FORMAPROD Ary ny fanofanana ireo tanora nahavita fianarana tsy an’asa mba hilatsaka avy hatrany amin’ny tontolon’ny famokarana amin’ny   fametrahana ny fandaharanasa PEJAA na Programme de Promotion del’Entrepreunariat des Jeunes dans l’Agriculture et l’Agro-Industrie  izay hanofanana tanora matihanina miisa 400.
  • Fanohanana ny fampiasam-bolan’ireo sehatra tsy miankina mahakasika ny fiompiana.Ato anaty fohy ezaka dia ireto ny laharam-pahamehana :
  • Asa maika ho amin’ny fanjariana ara-tsakafo ho an’ny tokantrano ambanivohitra sahirana izay hizarana akoholahy kely miisa 200 000 izay ialohavan’ny fanofanana ireo tantsaha ho matianina amin’ny fiompiana akoho sy hanoanana azy ireo amin’ny voalohany amin’ny fampitombona ny vola miditra ary koa ho fanatsarana ny taham-pamokaran’ireo akoho hompiana.
  • Amin’ity taona ity,hisy tetikasa hametrahana ny toby hamokarana ganagana tsara taranaka any Sambava ary  toby hamokarana ondry sy osy any Menabe .Ankoatr’izay, mba hanatsarana ny asa atolotra ho an’ny sehatry ny fiompiana dia hisy ny ezaka :
  • Hanitarana ny asam-pitsaboana ataon’ny Veterinera tsy miankina mba handrakotra ireo faritra misy lalam-pihariana ara-piompiana;
  • Ampiroboroboana ny fiompiana miompana amin’ny varotra misy fifanarahana (contractualisation);
  • fanatsarana ny fiaraha-miombonantoka eo amin’ny mpamatsy vola madinika sy ny
  • fanombohana ny fametrahana ireo faritra natokana hampiasana vola ho amin’ny fiompiana manara-penitra (zone d’investissement en élevage).

Date: 03/05/18

Source: CCRM/MPAE

Retour

Comments are closed.