Ho ampitombona ny isan’ ireo Mpitsabo Biby eto Madagasikara .

Natao teny amin’ny Hotely Panorama Ambaranjana ny 27 /10/2016 sy 28/10/2016 ny Fivoriamben’ny Holafitry ny Mpitsabo Biby eto Madagasikara. Tonga nanome voninahitra  sy nanokatra izany  tamin’ny fomba ofisialy ny Minisitra eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fambolena sy ny Fiompiana Rivo RAKOTOVAO, notronin’ireo mpiara-miasa aminy akaiky sy ireo olo-manan-kaja maro, Nambarany  nandritra izany fa mbola latsaky ny 30% ny harikarem-pirenena no ampidirin’ny seham-pihariana fambolena sy fiompiana izay sahanina  eny amin’ny tontolo ambanivohitra, raha fantatra fa  ny 80% ny Malagasy no heverina fa  monina eny.

ondvm_12Nahazo  tany hananganana Toeram-pitsaboana ny  ONDVM

Fivoriambe mahazatra efa fanaon’ny  Holafitra  isan-taona ity natao ity fa nampiavaka izany ny nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny karatany hoan’ny ONDVM , avy  amin’ny Fitondram-panjakana ankehitriny, izay manambara fa azy ireo manomboka izao ny tany mirefy 2600m2 antsoina hoe  Akaikiniarivo eny Ambatobe , Vinan’asan’ny ONDVM  ny hanangana Toeram-pitsaboana Biby sy Fampiofanana ireo mpianatra ho Dokotera Veterinera  ( Centre Hospitalier Universitaire Veterinaire) ka  ho setrin’ny fangatahana nataon’izy ireo. ondvm_3Haorina tsy hoe ela io toeram-pitsaboana io ka tanjona amin’izany ihany koa, hoy ny Filohan’ny Holafitry ny mpitsabo  biby Dr RAKOTOSAMIMANANA Josoa,  ny hananana  toerana avolenta  ahafahan’izy  ireo manatevina ny fahalalany sy hamporisihana ireo mpianatra hisafidy io zotram-pampianarana iray io mba  hampitombo isa  azy ireo ihany koa.

Hametrahana Veterinera manakaiky ny mpiompy

ondvm_2Ezaka ataon’ny  Ministera mpiahy ny Holafitra ankehitriny  ny hametraka  mpitsabo  biby any amin’ireo Distrika miisa 119  sy ny kaominina manerana an’I Madagasikara ho fanatsarana ny sehatry ny fiompiana izay hita fa tena mbola vitsy satria dia  450 eo izy ireo  no amperin’asa ankehitriny raha 3000 no ilaina mba hisahana ny Nosy manontolo . Ny 40 % ireo mpitsabo biby  amperinasa ireo mantsy  dia saika hita eto Antananarivo avokoa. Anisan’ny   Paikady efa napetraka hahatratrarana izany ny nanomezana ity tany hoan’ny ONDVM mba ahafahana hampitombo isa haingana ireo Dokotera mpitsabo biby ireo  sy ny mba tsy ahalatsa-danja an’I Madagasikara manoloana ny  firenen-kafa.   

Source:SICD/DSI/MPAE
Date:09/11/2016
Retour

Comments are closed.