FANOITRA BONGOLAVA – ITASY

Tsena Fanoitra andiany faha-4, “fametrahana ny fifanarahana ara-barotra”
Zoham-pihariana maro toy ny Baie Rose, katsaka, fiompiana haingam-pihodiana, famokarana zana-trondro, poterie, sns… no naranty sy namidy nadritra TSENA FANOITRA andiany faha-4 natao tao amin’ny distrika Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava, ny 17 ka hatramin’ny 19 Jona 2015. Tamin’ity taona ity dia nampitondraina ny lohahevitra “Tsena, Antoky ny fihariana maharitra”. Ny tanjona dia hampivelarana ireo MER (mpamokatra mpiofana na Micro Entreprise Rurale) eo amin’ny tsena. Miroana kokoa amin’ny fametrahana ny fanakambanana OP/OM (Opérateur Producteurs/Opérateurs de Marché) ‘zay hiafara amin’ny fifanarahana ara-barotra no tena mampiavaka ity tsena be ity, hoy ny Mpandrindra-Paritra ny Prosperer Bongolava – Itasy Andriamatoa Randriamiarinjato Olivier.

1_tsena_fanTrano heva miisa efa-polo (40) ‘zay nampisehoana ireo vokatry ny Faritra Bongolava sy Itasy, ka nisongandina tamin’izany ny vokatra Baie Rose na ny diapoavatra mena, mivondrona ao anatin’ny kaoperativa “Tsabrose”, mitoetra ao Sakay. Manenjika 27 taonina amin’ny fanondranana any ivelany ho an’ny taona 2015. Tsikaritra anefa fa nihena ny vokatra amin’io zoham-pihariana io noho ny firongatry ny bibikely. Efa misy ny teknisianina ao amin’ny Ministeran’ny Fambolena, miara-miasa amin’ireo mpamboly miady amin’ny bibikely. Tsy izany ihany, fa miezaka ihany koa ny Ministera mpiahy mametraka rafitra vovonan’ny katsaka tamin’ny taona 2014 ahafahana mandamina ny vidin’ny katsaka ’zay vokatra mampalaza koa ity Faritra Bongolava.

3_tsen_fanNandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Mpandrindra Nasionaly ny Fandaharanasa Fanoitra Vladmir Ratsimandresy no nantitranterina fa ny tsena ihany no ahafahan’ny tantsaha mpamokatra ahitana lalam-barotra tsaratsara kokoa.

4_tsen_fanManaraka izany, hisy koa amin’ny fiandohan’ny volana Jolay 2015 mandritra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny kaoperativa ny fanamafisana ny rohim-pihariana misy eo amin’ny mpamokatra sy ny mpanjifa, (initiativan’ny) DRDA-Bongolava, solontenan’ny ministeran’ny fambolena aty amin’ny faritra.

Source:SIC/SG
Date:19/06/2015
RETOUR

 

Comments are closed.