Fanaingana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pamokarana 2014- 2015 tao amin’ny Faritra Sofia

Notanterahina tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Marovantaza, Distrikan’Analalava, Faritra Sofia ny fanaingana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pamokarana 2014- 2015 ny zoma 19 desambra 2014 lasa teo. Anisan’ny nentina nanamarihana izany ny fitokanana ny foto-drafitrasa ara-pambolena dia ny toho-drano sy ny lakan-drano iray tao amin’io Kaominina io. Foto-drafitrasa nataon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fampiroboroboana ny eny ambanivohitra tamin’ny alalan’ny Tetikasa PUPIRV B-1 Faritra Sofia. Mitentina 147.319.929 Ariary ny teti-bidin’ny asa fanorenana. Velaran-tany maherin’ny 113Ha no hovoatondraka ary tantsaha sy vondrona tantsaha maro no hahazo tombontsoa amin’izany.IMG_5908

Fa anisany vaovao lehibe nandritra ny lanonana ny nanolorana ny masomboly vary 9Taonina sy masomboly vary safiotra milanja 8 Taonina avy amin’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fampiroboroboana ny eny ambanivohitra ho an’ireo tantsaha ao anatin’ny Faritra Sofia. Tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fampiroboroboana ny eny ambanivohitra amin’ny fanentanana ny tantsaha amin’ny fampitomboana ny vokatra .

IMG_5988Teo ankilan’izany lanonana izany dia nisy ny fanomezana ireo tantsaha amin’ny Faritra Sofia iny fitaovam-pamokarana ara-pambolena toy ny sarklezy,ragiragy,la borety,pulverisateurs.Nisy ihany koa ny fanolorana masomboly vary X-265 milanja 300Kg , zezika NPK , UREE , Guano. Mialohan’ireo rehetra ireo dia nisy ihany koa ny fitokanana ny tetezana mirefy 40 metatra ny halavany tao amin’ny Kaominina Marovatanza io ;famatsiam-bola avy amin’ny FID .Kaominina miisa 6 manodidina no hohafa-pahasairanana amin’ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra.

 

Date : 23 /12/2014

Source : SIC/SG

Comments are closed.