JEU DES ILES: FANOLORANA FANOMEZANA AN’ IREO EKIPA HISOLO TENA AN’ I MADAGASIKARA AMIN’ NY TARANJA JUDO

Vola mitentina 25.000.000 tapitrisa ariary no natolotrin’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, izay tarihin’Andriamatoa Minisitra RANARIVELO Lucien, ho an’ireo tanora 14 mianadahy misehatra eo amin’ny taranja judo mandritry ny lalaon’ny nosy andian’ny faha-folo. Natao hanohanana azy ireo amin’ny fiatrehana ny lalao izay ho tanterahina any amin’ny nosy Maorisy ny 19 kahatramin’ny 29 jolay 2019 izany. Ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono moa no Minisitera mpiahy ity taranja ity.Tao amin’ny academia nasionalin’ny fanatanjahantena Ampefiloha no nanatanterahana izany ny 15 jolay 2019.

Nampanantena ireo tanora ireo fa hitondra vokatra tsara sy hitondra avo ny fanevam-pirenena.

Tafiditra indrindra amin’ ny Velirano faha-13 izay nataon’ny filoham-pirenena izany dia ny famolavolana tanora amin’ny alalan’ny fanatanjahantena ary ny fanatanjahantena ambompom-pirenena.

———————————-

Le Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche (MAEP) sous la direction de Monsieur le Ministre RANARIVELO Lucien,en tant que Ministère Coach de la fédération judo de la 10éme édition des jeux des îles de l’Océan Indien, a offert   25Millions d’Ariary à cette fédération.

Cet appui du MAEP  a pour objectif de motiver les porte-fanions de la grande ile à la 10èmeédition des jeux des iles de l’Océan Indien,qui aura lieu à l’ile Maurice le 19 au 28 juillet 2019.

Le sport, une fierté Nationale est l’un des piliers des 13 Velirano de l’Initiative pour l’émergence de Madagascar (IEM) de l’Etat Malagasy.

Date: 15/ 07/2019

Source: Communication MAEP

Retour

Comments are closed.