Haromotana: fantaro, sorohy, fongory

Mahatratra 90000 fatra ny tsindrona hatao maimaim-poana ho an’ny alika sy ny saka amin’ity taona 2019 ity. Aretiman-doza mahafaty olona, azo avy amin’ny biby ny haromotana. Eto Madagasikara dia fantatra fa ny 99% trangan’ny haromotana dia azo avy amin’ny alika, ka na ny kaikitra na ny rangotra na lelaka eny amin’ny hoditra misokatra na maratra izay ataon’ny alika na saka misy an’ilay otrik’aretina no mamindra ny haromotana amin’ny olombelona. Ny taona 2019, dia voamarina fa mananika ny 20 eo ho eo ny isan’ny alika tratry ny haromotana. Ny alika iray anefa dia mety hanaikitra olona hatramin’ny 15 isa. Rehefa miseho amin’ny olona iray ny fambaran’aretina haromotana dia efa tsy azo tsaboina intsony fa miandry fahafatesana.

Manoloana izany sy hisorohana ny fahafatesan’ny olona dia zava-dehibe sy laharam-pahamehana ny fampiakarana ny tahan’ny fanaovam-bakisiny ny alika. Izany indrindra no antony anatanterahan’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra dia ny GARC sy ny COI ary ny FEL ny hetsika isan-taona, fanaovam-bakisiny faobe maimaim-poana fanefitry ny haromotana ho an’ny alika sy ny saka. Notanterahana tao amin’ny trano fivorian’ny ivontoeran’ny fiompiana Ampandrianomby ny Alatsinainy 15 Jolay 2019 moa ny fanombohana ofisialy izany fanaovam-bakisiny faobe maimam-poana izany ho an’ity taona 2019 ity. Lohahevitra noraisina ny hoe “Haromotana: fantaro, sorohy, fongory”.

Azo sorohina tsara  ny haromotana ka ny olona izay voakaikitra na ny voarangotry ny saka na ny alika, dia tsy maintsy manatona avy hatrany ny toeram-pitsaboana mba hisorohana ny fahafatesana. Ao amin’ny Institut Pasteur de Madagascar no antonina raha eto Antananarivo.

Ho an’ny  biby kosa dia fanaovana vaksiny fanefitry ny haromotana isan-taona ihany no ahafahana mamongotra ny haromotana. Miaraka amin’izany fanaovam-bakisiny izany dia misy ihany koa ny fampahafantarana ny momba ny aretina haromotana sy izay rehetra tokony atao mba hisorohana azy.

Amin’izao volana Jolay sy Aogositra izao, dia faritra Analamanga sy Alaotra Mangoro no hanatanterahana ny fanaovam-bakisiny. Antony ny fisian’ny taha mihoam-pampana amin’ireo faritra ireo. Ho an’ny faritra Analamanga, ny 22 juillet ka hatramin’ny 04 Aogositra no hanatanterahana ny hestika ao Itaosy (eo amin’ny Cabinet Vétérinaire Arche), ary ny 5 Aogositra ka hatramin’ny 18 Aogositra kosa dia ao amin’ny Cabinet Vétérinaire Lysane Andoharanofotsy no hanatontosana izany. Hisy ihany koa ny fitetezana ireo fokontanin’ny boriborintany I sy II ary IV izay hofaritana miaraka amin’ny lehiben’ny fokontany ny fotoana hanatanterahana azy.

Ho an’ny faritra Alaotra Mangoro dia ny 21 Aogositra ka hatramin’ny 04 Septambra eny amin’ny Cabinet Ambatosoratra sy Manakambahiny sy ny Kaominina manalavitra ireo no hanatanterahana ny hetsika.

————————————————————-

90000 doses sont offertes pour cette année pour la campagne de vaccination de masse contre la rage. Un être humain meurt de la rage tous les 10 minutes quelque part dans le monde. Cette maladie est responsable de près de 74 000 décès humains déclarés chaque année, dont une grande majorité d’enfants. A Madagascar, 99% des cas de rage proviennent de la morsure des chiens. Cette année 2019, environ 20 cas confirmés de la rage canine ont été enregistrés. Or, un chien peut mordre jusqu’à 15 personnes. Selon la statistique de la veille sanitaire et de la surveillance épidémiologique au sein du Ministère de la santé publique, environ 10 à 15 personnes par an décèdent de la rage. Dans ce contexte, le Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche a lancé officiellement la campagne de vaccination de masse gratuite contre la rage des chiens et chats, le lundi 15 juillet 2019 à Ampandrianomby. Cette lancement a pour thème : « Haromotana : fantaro, sorohy, fongory ».

La rage est une maladie effectivement évitable mais son apparition une fois chez un individu conduit à la mort. Une personne prouvée un porteur de la rage doit voir immédiatement un centre de santé comme l’Institut Pasteur de Madagascar.

Pour les chats et chiens, la vaccination contre la rage est la méthode la plus économique pour contrôler et éliminer la rage. L’augmentation de la couverture vaccinale est une importance capitale dans l’atteinte de l’éradication de la rage.

Pour cette année 2019, la campagne de vaccination aura lieu dans la région d’Analamanga et d’Alaotra Mangoro vu le taux élevé de la rage dans ces deux régions. Pour Analamanga, la vaccination se déroulera le 22 juillet au 04 Août 2019 au sein du Cabinet Vétérinaire Arche Itaosy, et le 05 au 10 Août, la campagne aura lieu  au cabinet vétérinaire Lysane Andoharanofotsy. Ainsi, des équipes mobiles vont descendre au niveau des fokontany du 1er, 2ème et 4ème arrondissement dont les lieux seront à définir ultérieurement avec les chefs fokontany.

Celle de la région Alaotra Mangoro, la campagne se tiendra le 21 Août au 04 Septembre au niveau du Cabinet Ambatosoratra, Manakambahiny et les autres communes aux alentours.

Date: 15 juillet 2019

Source: Communication MAEP

Retour

Comments are closed.