Azo antoka ny fiarovana sy fitantanana maharitra ny Antsantsa sy Makoba eto Madagasikara

Manana karazana antsantsa miisa 80 i Madagasikara ka ahiana ho lany tamingana ny 37 amin’izy ireo. Loza mitatao eo amin’ny fiainan’ireo Antsantsa sy Makoba eto amintsika ny fisian’ny Jono miompampana. Manampy amin’ny firindran’ny toe-karena ny antsantsa ary indrindra manome tombony lehibe ho an’ny toe-karena malagasy anefa ireo harena an-dranomasina ireo.

Manoloana izany dia natsangana ny drafitra nasoanaly ho fiarovana sy fitantanana maharitra ny antsantsa sy makoba eto Madagasikara ka ny volana jona 2019 no nankatoavina izany. Nisy arak’izany ny fampahafantarana ny votoatin’ izany drafitra izany, ny faran’ny herinandro teo, izay notarihin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, tamin’ny alalan’ny sampan-draharaha miandraikitra ny jono, sy ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra ary ny WCS. Izany no natao ihany koa dia ho fanamarihana indrindra ny andron’ny 14 Jolay izay andro manerantany ho fiarovana ny Antsantsa.

Efa ho folo taona izao no loharanom-bola hoan’ireo mpanjono andranomasina ny famarotana ny nofony, lohany ary ny vombon’ireo Antsantsa sy Makoba ireo izay tadiavin’ny tsena ivelany. Mihena hatrany anefa ny vokatra satria 14 taonina sisa no naondrana tamin’ny taona 2017 raha 40 taonina izany tany ampiandohana.

Tena zava-dehibe ny fananantsika ity Drafitra nasionaly ho fiarovana sy fitantanana mba ho lovain-jafy ireo karazan’Antsantsa sy Makoba ananantsika eto Madagasikara ireo ary azo antoka ny hisian’ny fitantanana maharitra sy ny fiarovana izany vokatra an-dranomasina izany.

——————————–

Madagascar abrite 80 espèces de requins dont 37 espèces figurent sur la liste rouge de l’union Internationale pour la Conservation de la Nature. Les requins ont des rôles importants tant sur le plan écologique qu’économique et social. Il assure l’équilibre écologique à travers la chaîne alimentaire au niveau de l’écosystème marin. La pêche de requin constitue également une source de revenus pour les petits pêcheurs, les pêcheurs artisanaux ainsi que pour l’Etat à travers la redevance des pêcheurs industriels. L’exportation de la viande de requin et les ailerons sont les sources de revenu des pêcheurs il y avait 10 ans.  Alors que les requins deviennent de plus en plus menacés aujourd’hui à cause de la surpêche mais également la dégradation de leur habitat, du changement climatique et du développement du côtier. A titre d’exemple, Madagascar a exporté seulement 14 tonnes d’ailerons en 2017 si cela a atteint jusqu’à 40 tonnes auparavant.

De ce fait, un plan national de conservation et de gestion durable des requins et des raies ont été élaboré pour assurer la conservation et la gestion durable des requins en juin 2019. Une présentation du contenu et des objectifs de ce plan nationale s’est tenu la fin de la semaine dernière au Melis Analakely, organisée par le Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche, avec le Ministère de l’Environnement et du Développement Durable avec l’appui du Wildlife Conservation Society (WCS).

Ce plan vont assurer (i) l’amélioration des connaissances sur les espèces de requins et de raies et leur pêche, y compris leur rôle dans l’écosystème, (ii ) la mise en place de système de veille à ce que les pêches ciblées et accidentelles de requins et des raies soient durables et correctement gérées, (iii) l’amélioration de l’état de conservation des requins et des raies grâce à la récupération des espèces en voie de disparition et à la restauration des espèces appauvries et enfin (iv) à la sensibilisation du public aux menaces pesant sur les requins et les raies et leur habitants.

Date: 12 juillet 2019

Source: Communication MAEP

Retour

Comments are closed.