249 440 Ariary ny tombony azo amin’ny 10 ara amin’ny alalan’ny teknika PAPRIZ

Mihoatra lavitra tamin’ ny tanjona nokendrena ny vokatra azo tao anatin’ny Tetikasa PAPRIZ andiany faharoa  hatramin’ny taona  2016 nanombohany. Fantatra izany nandritry ny fivoriana faha-efatry ny  Komity mpandrindra miaraka  ny  Tetikasa ho fanatsarana ny famokaram-bary, ny fitantanana ny Sahandriaka sy ny faritra voatondraka izay natao ny 09 jolay 2019 tao amin’ny Hotely Panorama Andrainarivo. Tetikasa iarahan’ny fitondram-panjakana  Malagasy amin’ny alalan’ny Ministeran’ny fambolena  sy ny fiompiana ary ny Jono sy ny  Governementa Japoney amin’ny alalan’ny JICA ny PAPRIZ andiany faharoa ka, tanjona lehibe  ao anatin’izany  ny  hanatrarana ny velirano faha-sivy nosoritan’ny Filoham-pirenena  dia ny hahavitan-tena ara-bary amin’ny taona 2020. Nahatratra 5,53T/ha ny salan’isan’ ny taham-bokatra nanerana ireo faritra 11 niasan’ny tetikasa tamin’ity taom-pamokarana  2019 ity, raha 5T/ha no nokendrena.   Manodidina ny telo hetsy ariary ny tombony afa-karatsaka azon’ireo mpamboly amin’ny velarantany 10 are raha faritana ho 385ar ny sandany amin’ny vidin’ny akotry iray  kilao. Tamin’ireo faritra voatondraka  miisa 218 amin’ireo  Faritra niasan’ny Tetikasa  PAPRIZ andiany faharoa dia velarantany maherin’ ny       45 139ha no niasana ka 882 ireo tantsaha nofanina ho  mpampiofana  , afaka  nampita ny fahalalany tamin’ireo tantsaha manodidina  azy  ka  nisy fiantraikany tamin’ireo tokantrano eo amin’ny Telo arivo sy Dimy alina eo izany . Manamporofo ny fahombiazan’ny tetikasa  izany ka hirosoana amin’ny fanampariahana izany manerana ny faritra 22. 

Efa voapetraka ihany koa ny paikady ho fanapariahana ny teknika PAPRIZ 2 izay mifototra amin’ny fisian’ny « Maitres Formateurs » na (MF) hiara-hiasa amin’ny mpampiofana PAPRIZ na (PAP-F)  izay hanofana kosa  indray tantsaha mpamboly mpampiofana na (PF)  hizara ny fahalalany amin’ ireo tantsaha manodidina azy. Amin’izao fotoana izao Teknisiana 29 avy   Foibem-paritry ny fambolena, sy ny fiompiana ary ny Jono no sokajiana  ho “Maitres Formateurs”, ary 91 ireo mpampiofana PAPRIZ hanohy ny asa fanampariahana hoamin ‘ny taom-pambolena hoavy. Nisy araka izany ny fanolorana Marim-pahaizana hoan’ireo “Maitre Formateurs” 14 mianadahy  hiasa any amin’ireo faritra vaovao  hitaran’ity  tetikasa PAPRIZ andiany faharoa ity.

Nandritra io fotoana io ihany koa no nanaovana ny fankatoavana ny drafitrasa ho tanterahina amin’ny hoavy ho fanohizana ity  tetikasa PAPRIZ andiany faharoa ity, izay hifarana ny volana novambra 2020.

Vonona hatrany hifanohana amin’i Madagasikara ny governemanta Japoney mba hanatratra ny fahavitan-tena ara-bary. Mba hampaharitra ireo zava-tsoa nentin’ny tetikasa na ny teknika izany, na fiarovana ny tontolo iainana, na ny paikady amin’ny fanaparihana, sns dia nandefa teknisianina manampahaizana 2 momba ny avy any amin’ny foiben’ny JICA. Ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana kosa dia hijery manokana ny fomba hampanaikekezana ireo tantsaha vonona hampiatra ny teknika PAPRIZ ny masombloly voafantina, ny zezika sy ny hanampamokarana samihafa. Hijery ihany koa ny fomba ahafan’ireo tantsaha mahazo ireo hanam-pamokarana amin’ny fotoana ilany azy ka hanoherany ny vidin’izany amin’ny fotoana fiakaran’ny vokatra.

Un rendement rizicole de 5.53t/ha était obtenu à travers  la pratique de la technique PAPRIZ, résultat largement supérieur par rapport à l’objectif fixé par le projet. Dans ce contexte, l’équipe du projet PAPRIZ 2, qui est un projet de coopération technique entre le gouvernement du Japon à travers le JICA Madagascar et le Gouvernement de Madagascar à travers le MAEP, a présenté les résultats du système de vulgarisation en cascade du paquet technique rizicole dans les 11 régions d’intervention, le 09 juillet 2019 au Panorama Antananarivo, 4ème Comité de coordination Conjoint.

Rappelons que l’objectif global du projet, et  du  Ministère de l’Agriculture de l’Elevage et de la Pêche est de contribuer à l’augmentation rizicole  de 550 000tonnes. La production est satisfaisante avec le paquet technique PAPRIZ, étant donné que la production obtenue dépasse la production escomptée.

Le résultat de l’enquête  d’impact en juin 2019  fait sortir une augmentation de 2.28t/ha par rapport au résultat de l’enquête en 2016. Désormais, le bénéfice net obtenu sur une surface de 10 ares dans les régions d’intervention du projet sur les hautes terres,  varie selon le prix du kilo de paddy sur le marché mais la moyenne est de 249 440 Ariary.

Collaboration avec les DRAEP

Les DRAEP des régions d’intervention ont intervenu en totalité dans 218 Périmètres Irrigués dont la superficie totale est de 45139 ha. Aussi, 882 Paysans Formateurs ont transmis le savoir aux paysans environnants et 52720 foyers ont été impactés. Aujourd’hui, 29 techniciens sont qualifiés Maîtres Formateurs, dont 14 ont reçu  leur certificat ce 09 juillet 2019, et 91 agents sont qualifiés PAPRIZ Formateurs. Ils poursuivront les travaux de vulgarisation pour les campagnes à venir. De plus, 200 candidats  seront  formé en PAP-F pour la saison 2019- 2020.

Concernant les activités relatives à la gestion des bassins versants et périmètres irrigués, des formations ont été dispensées aux techniciens de DRAEP/ DRED et 214 agents sont formateurs en protections de bassins versants, sur la fabrication du foyer amélioré (kamado) et sur le reboisement.

Le projet présente des résultats positifs et atteint ses objectifs inscrits dans son cadre logique avec des indicateurs vérifiables grâce au système d’appui à la vulgarisation opérationnel appelé Unité PAPRIZ composé d’Homologues et d’Experts japonais au sein du MAEP.

La collaboration avec les projets et programme du MAEP dans la vulgarisation du Paquet Technique PAPRIZ dans tous les périmètres irrigués de toutes les régions de Madagascar serait primordiale afin d’atteindre l’objectif de l’Etat de 550 000tonnes de paddy en 2020, qui est l’objectif  inscrit dans le contrat programme du MAEP pour atteindre l’autosuffisance en riz.

La validation du plan d’action pour la suite du projet PAPRIZ 2, qui s’achèvera en 2020,  a également effectué durant ce comité de coordination conjoint.

Le gouvernement japonais est toujours prêt à accompagner Madagascar dans l’atteinte de ses objectifs. Ainsi, afin de pérenniser  les acquis apportés par le projet comme les techniques, la protection de l’environnement, la stratégie de vulgarisation, etc., 2 techniciens spécialistes venant du siège du JICA seront envoyés au sein du Ministère.

Le MAEP pour sa part, va définir des stratégies pour faciliter l’ acquisition de semences, d’ engrais et d’ autres intrants au moment du repiquage que les paysans prêts à pratiquer la technique PAPRIZ, vont rembourser durant la période de récolte.

Date: 09 juillet 2019

Source: Communication MAEP

Retour

Comments are closed.