Sera B’ny asa: manampy ny tanora tsy an’asa amin’ny fampanan’asa ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono

Nandray anjara tamin’ny Sera B’ny asa izay natao tao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatan-jahan-tena Mahamasina ny fandaharan’asa Promotion de l’Entrepreneuriat des Jeunes dans l’Agriculture et l’Agro-Industrie (PEJAA), FORMAPROD (Formation Professionnelle et d’Amélioration de la Productivité Agricole) ary ny CFFAMMA (Centre de Fabrication,  de Formation et d’Application du Machinisme et de la Mécanisation Agricole), izay  fandaharan’asa samy eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, ny zoma 28 sy ny Sabotsy 29 Jona 2019.

Tanjona amin’izany ny hampananan’asa ireo tanora tsy an’asa ary maniry ny handraharaha  eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana na ny jono. Tsiahivina fa tanjon’ireo fandaharan’asa ireo moa ny manohana ireo tanora tsy manan’asa nefa manana mari-pahaizana, amin’ny  fanofanana ara-pitaovana na koa ara-bola na koa fihofanana, mba ahafahan’ireo tanora manatanteraka ny tetikasany.

————————————

Le programme PEJAA, FORMAPROD et CFFAMMA,  programmes au sein du Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche, ont participé au Sera B’ny asa, qui s’est déroulé au palais de sport Mahamasina le vendredi 28 et le jeudi 29 juin 2019.

L’objectif est de donner des emplois aux jeunes diplômés sans emploi et voulant entreprendre dans le secteur agriculture, élevage et pêche. Rappelons que le but de ces programmes est d’appuyer et de soutenir matériellement, financièrement et psychologiquement les jeunes chômeurs pour la réalisation de leurs projets.

Date: 28 Juin 2019

Source: Communication MAEP

Retour

Comments are closed.