Tagnamaro, andron’ny olom-pirenena

Volana natokana ho an’ny fiahiana ara-tsosialy ny hetsika Tagnamaro volana Mai izay notontosaina tetsy amin’ny EPP Anatihazo Isotry tamin’ity Asabotsy 18 Mai 2019 ity. Niaraha-nisalahy tamin’izany ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono, ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny Ministeran’ny Mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampiroboroboana ny vehivavy.

Andron’ny olom-pirenena natao hampisehoana ny fitiavan-tanindrazana sy fampianarana handray andraikitra amin’ny maha olom-pirenena ny hetsika Tagnamaro. Nanamafy ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono RANARIVELO Lucien fa tsy mijanona fotsiny ihany eo amin’ny asa fanadiovana ny Tagnamaro fa ho entina ihany koa hamolavolana toe-tsaina sy fandraisana andraikitra tandrify ny tsirairay avy.

Anisan’izany ny fikolokoloana ny zava-boary sy hampiroboroboana ny fambolena sahaza ny tanan-dehibe. Ka nampiseho ny fomba fambolena voninkazo sy legioma ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono niaraka tamin’ny fanentanana ireo mpianatra mahakasika ny fomba fiompiana akoho sy tantely na fandrama.

Fampianarana handray andraikitra ny hetsika Tagnamaro ka amin’ny volana manaraka toy izao indray dia samy manao ny asa any amin’ny tandrify azy tsirairay avy ny malagasy rehetra hampisehoana ny fitiavan-tanindrazana.

« Tagnamaro » placé sous le thème de la Protection sociale

Le MAEP s’est associé au Ministère de la Population et le Ministère de la Culture et de la Communication pour le « Tagnamaro » placé sous le thème de la Protection sociale que nous célébrons durant ce mois de mai.

L’initiative a été organisé le samedi 18 mai 2019 à l’EPP Anatihazo Isotry en faveur des familles démunies et des élèves. L’occasion a été pour le Ministère d’effectuer une sensibilisation, notamment sur la pratique de l’agriculture en zone urbaine et sur les notions de base en aviculture et en apiculture qui sont largement pratiquées dans la Région Analamanga.

Devant les élèves et éducateurs de l’EPP Anatihazo Isotry, le Ministre de l’Agriculture de l’Elevage et de la Pêche, Monsieur RANARIVELO Lucien, a insisté sur le fait que le « Tagnamaro » ne se limite pas aux activités de nettoyage. L’initiative a surtout pour but de véhiculer l’esprit patriotique et le sens des responsabilités de chacun, notamment dans la transformation et l’amélioration de l’environnement. A cet effet, outre les actions de sensibilisation par radio crochet, les techniciens au sein du MAEP ont conduit des actions de plantation de plantes d’ornement autour de la cour de l’EPP.   

Retour

Comments are closed.