PLAE III : mipaika amin’ny mponina ny vokatry ny asa natao

Vers Mlg: Tafiditra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ary mifandrindra amin’ny vina IEM napetraky ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ny ahatongavan’I Madagasikara ho Nosy maitso. Anisan’ny manatanteraka izany ny fandaharan’asa Miady amin’ny fikahon’ny riaka ny nofontany na PLAE, izay eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono.

Nihoatra ny tanjona napetraka ny zava-bita

8965 ha ny velaran-tany nanaovan’ny PLAE III fambolen-kazo isam-batan’olona anaty tanàna nandritry ny taom-pambolena 2014-2019 raha toa ka 9 500ha no tanjona. Izany asa izany dia natao tanatin’ny kaominina 50 anatin’ny distrika 7 amin’ny faritra 3 niasany, dia Diana, Boeny ary Betsiboka. Notontosaina ny 26 aprily tao amin’ny kaominina Ambondromamy, distrika AmbatoBoeny, ny lanonana famaranana izany taom-pambolen-kazo izany.

Ny Fandaharan’asa PLAE III dia mandray anjara amin’ny fiarovana maharitra ny lemaka sy ny sahandriaka amin’ny riaka ary manao fambolen-kazo natao ho arina na kitay.  Tsikaritra fa nisy fitomboana isan-taonany velaran-tany voavoly hazo izany dia noho ny fandairan’ny paik’ady izay nahitsy isan-taona.

Raha ny ady atao amin’ny fikahon’ny riaka ny nofontany sy ny fambolena fanatsarana ny nofontany na ny voly rakotra kosa no lazaina, dia 1917.86ha ny velaran’ny sahandriaka voajary ka nanaovana fambolen-kazo ho fiarovana sy aroriaka ary voly rakotra. Nihoatra 1 760ha tamin’ny tanjona napetraka no tratra.

Ho an’ny fiahiana ny fananan-tany kosa dia 3 717ha no velaran-tany novolena hazo ka voaaro. 1 775 ny karan-tany natonta ka ny  661 amin’ireo no efa voazara.

Nanatsara ny ara-pambolena sy ara-tontolo iainana ary  nipaka tamin’ny tantsaha ny PLAE

Nanome asa ho an’ny tantsaha ny fandaharan’asa tamin’ny alalan’ny fiofanana ho mpamokatra zana-kazo. Teo ihany koa ny fanampiana natao ho an’ny fambolen-kazo ka namomezana arina sy kitay azy ireo ka nitombo ny vola miditra amin’ny tantsaha ary nihena ny fandripahana ny ala natoraly. Ankoatr’izay, miaro ny lemaka sy ny sahandriaka amin’ny riaka sy ny fasika ihany koa ny fambolen-kazo. Ny fanaovana voly rakotra moa dia manome tsiro ny tany. Tantsaha miisa 14131 no nisitraka ny fandaharan’asa PLAE andiany faha-3.

Nandritry ny lanonana fanakatonana iny taom-pambolen-kazo 2014-2019 iny dia nisy ny fizarana loka ho an’ireo vondrona mpamboly hazo mendrika tao anatin’ny distrika 7, nisy koa ny fizaranakara-tany ho an’ny olona miisa mihoatra ny 50 ary ny fanokafana ara-pomba ofisialy ny Birao Ifotony ny Fananan-tany (BIF) ao Ambondromamy, izay naorin’ny PLAE tamin’ny taona 2018.

PLAE III : des résultats concluants

Rattaché au Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage et de la Pêche (MAEP), le Programme de Lutte Anti-érosive ou PLAE, réalise pleinement le défi lancé par le Président de la République Andry Nirina RAJOELINA dans son plan d’Emergence, celui de transformer Madagascar d’île rouge en île verte.

Durant sa campagne de reboisement 2014-2019, 8 965 ha de reboisement villageois individuel (RVI) ont été réalisés par le PLAE III dans 50 communes rurales situées dans 7 districts de ses 3 régions d’intervention qui sont DIANA, Boeny et Betsiboka. La cérémonie de clôture officielle de cette campagne s’est tenue le 26 avril 2019 dans la commune d’Ambondromamy, district d’AmbatoBoeny.

Des objectifs dépassés

Par le biais du PLAE, le MAEP vise une gestion durable des ressources naturelles via la pérennisation de la gestion adéquate des bassins versants et la réalisation de reboisement villageois à des fins énergétiques. Un reboisement villageois à vocation énergétique de 9 046.57 ha a été réalisé, permettant au PLAE d’atteindre 95% de son objectif dans ce domaine. Les réalisations se sont accrues au fur des campagnes, ce qui démontre l’efficacité des ajustements de stratégies élaborés entre chaque campagne.

Pour la Lutte Anti Erosive (LAE) et l’Agriculture de Conservation (AC), une surface de bassin versant de 1917.86 ha a été aménagée grâce à des reboisements de protection, des haies antiérosives, des mesures mécaniques (terrassement des « lavaka », cordon de paille, gabion, fascine, …) et l’Agriculture de Conservation. Le PLAE III a dépassé largement son objectif de 1760ha avec un taux de réalisation de 109%.

En ce qui concerne la sécurisation foncière, 3717 ha de surfaces de RVI ont été sécurisées par des certificats fonciers. Parmi les 1775 certificats édités, 661 ont été délivrés.

Des impacts agro-écologiques et humains

Le projet PLAE III à travers la formation de pépiniéristes procure des emplois aux paysans. De plus, l’approvisionnement des ménages en bois de chauffe ou charbon a permis d’augmenter les revenus des groupes cibles et de réduire la pression sur les forêts naturels et la biodiversité. En outre, les reboisements ont été efficaces pour renforcerla fertilité du sol et protégerles sites agricoles et les périmètres irrigués contre l’érosion et l’ensablement.La phase III du PLAE a atteint 14131 paysans bénéficiaires.

La cérémonie de clôture de la campagne de reboisement du PLAE III a été marquée par laremise de lots aux meilleurs groupements de reboiseurs des 7 districts d’intervention du programme,  laremise dekaratanyàplus de 50 reboiseurs et par l’inauguration du guichet foncier d’Ambondromamy construit par le PLAE en février 2018.

Comments are closed.