Syndicat, Fikambanana mijoro ara-dalana ary Ministera : toko telo maha-masa-nahandro ny fisandratan’ny Fambolena sy Fiompiana eto Madagasikara

Ny Alarobia 04 Jolay 2018, namomboka tamin’ny 09 ora maraina ka hatramin’ny 02 ora tolak’andro, dia noraisin’ny Minisitry ny Fambolena sy Fiompiana, Harison RANDRIARIMANANA, nanao dinik’asa niaraka taminy tao amin’ny biraony tao Ampandrianomby tsirairay ny mpikambana ao amin’ny biraon’ireo Syndicats sy Fikambanana mijoro ara-dalàna sy misy ao amin’ny MINAE.Ireto avy izy ireo :

  • Ny Syndicat des Ingénieurs Agronomes Malagasy (SIAM)
  • Ny Syndicat des Ingénieurs d’Equipement Rural Malagasy (SNIERM)
  • Ny Ordre National des Docteurs Vétérinaires de Madagascar (ONDVM)
  • Ny Association des Zootechniciens et des Ingénieurs Spécialistes en Production Animale Malagasy (AZISPAM)
  • Ny Mutuelle du Personnel du Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage

Niompana tamin’ny anjara biriky entin’ny andaniny sy ankilany amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ny dinika tamin’izany. Namelabelatra ny politika sy paik’ady ho fisandratan’ny fambolena sy fiompiana eto Madagasikara ny Minisitra ary nilaza ireo Fikambanana fa tsy nisy tokoa ny fifanatonana tamin’ny mpitantana tato amin’ny Ministera hatramin’izay fa nijanona tamin’ny resaka « procotolaire » fotsiny izany, ka tena faly tokoa izy ireo amin’izao fifampizarana vaovao sy dinika izao.

Ny fihaonana tamin’ny Mutuelle kosa dia niompana tanteraka tamin’ny sosialin’ny mpiasan’ny Fambolena sy ny Fiompiana. Nanome toky ny Minisitra ary efa nolazainy imbetsaka izany fa tontosa izany ny fanomanana ny ampahany voalohany amin’ny asa tsy maintsy natao tato amin’ny Ministera dia ny fandaharan’asa ho an’ny taona 2018 (Programme de Travail Annuel 2018). Tsy maintsy natao laharam-pahamehana izany satria fotory ny fiveloman’ny vahoaka maro an’isa eto Madagasikara izay mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana. Miditra amin’ny ampahany faharoa isika izao ka dia mitodika amin’ny ato an-trano amin’izay ka hijery amin’ny antsipirihany ireo manahirana sy mahatsara ny tontolon’ny asa ato anatiny, na amin’ny lafiny maha-olona (intégration, avancement, formation, recyclage, sns…) izany na amin’ny lafiny fitaovana sns…

Tsapa fa fahombizana tanteraka no vokatry ny fihaonana. Resy lahatra ny rehetra fa vao sambany no nisy ny fifampidinihana toy izao ary samy naneho fahavononana hanatsara sy hanamafy ny fiara-miasa hanatanterahana ny vina iraisana. Santatra ambava-rano izao fa dia ho atao fomba fiasa ny fihaonana matetika ary miandry ny tolokevitra avy amin’ireo fikambanana samy hafa ireo ny Minisitra.

Date: 06-07-2018

Source: CCRM/ MINAE

Retour

 

Comments are closed.