Fanambaram-pananana nataon’ireo tompon’andraikitra ambony eto amin’ny Ministera eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fambolena sy ny Fiompiana

Telo ny soatoavina mampirindra ny Ministera eo anivon’ny Fiadidin’ny Repoblika Misahana Ny Fambolena sy ny Fiompiana :  Ny Fitiavan-tanindrazana, ny Fahamarinana ary Firaisan-kina .

Ireo no antoka entin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’izany Ministera izany hampisandratrany asa fiompiana sy fambolena. Ny Vina Fisandratrana 2030, napetrak’Andriamatoa Filoham-pirenena Hery RAJAONARIMAMPIANINA tokoa dia mitaky ny fandraharana mangarahara.

Ho fitaratry izany fitantanana mangarahara eto amin’ny ministera dia nanatanteraka fanambaram-pananana tetsy amin’ny BIANCO Birao Mahaleo tena misahana ny Ady amin’ny Kolikoly ny 09 Martsa 2018 ireo mpiasam-panjakana ambony, notarihin’ny Tale William RAKOTOMALALA, Talen’ny Fampiroboroboana ny Vary,  solontenan’Andriamatoa Sekretera Jeneraly.

Miisa 11 izy ireo ka ny lalàna_2016 izay natao ny faha-roamboroapolo ny volana Aogositra 2016, ao anatin’ny andininy faha-2, faha-3 ary faha-5 no mametra izany fanambaram-pananana mba hanamafisana ny fangaraharahana sy ny fifampitokisana amin’ ny vahoaka sy ny mpitondra. Atao isaky ny 02 taona izany. Araka ny nambaran’ny Tale William dia « Ohatra azo alain-tahaka tokoa izao fihetsika izao amin’ny fanaran-dalàna, izay tafiditra ao anatin’ny soatoavin’ny Ministera : Fitiavan-tanindrazana, Fahamarinana ary Firaisan-kina »

Ao anatin’ny fanajana ny fahamarinana no nahatongavana teny anivon’I BIANCO;  izay ilaina amin’ny fitantanana ny mangarahara. Fangaharahana izay ilaina amin’ny fifampitokisana amin’ny vahoaka Malagasy ; noho izany eo an-daniny :famporisihina ho an’ireo namana rehetra any amin’ny ministera isa-sokajiny ireny fihetsika ireny. Izay madio fitantanana mantsy dia tsy misy tokony mampanahy. Eo an-kilany : miara-mientana amin’ireo tompon’andraikitra rehetra eo amin’ny MPAE koa na ny eto an-drenivohitra na ny any amin’ny faritany.

Marihina fa vitsy sisa no tsy nahavita izany asa izany amin’ny ady amin’ny kolikoly ary hita fa ny vehivavy no maro anisa satria dia mitombo tokoa ireo andriambavilanitra nanao ny fanambaram-pananana tamin’ny taona 2018.

Date: 09/03/18

Source: CCRM/MPAE

Retour

Comments are closed.