Fanolorana tranon-tantely na tohon-tantely sy trano fanodinana voankazo.

Tranon-tantely na tohon-tantely moderina miisa 101 sy trano fanodinana voankazo mananasy fitehirizam-bokatra azo avy amin’ny tantely, mitetina 94 tapitrisa ariary no natolotry ny ministera eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika misahana ny fambolena sy fiompiana ny vahoaka mpamboly mananasy sy mpiompy tantely ato amin’ny distrikan’i Mahanoro. Tonga nanolotra izany taty Mahanoro androany ny Minisitra Rivo Rakotovao.

mahanoro_1Faritra mamokatra voly fanondrana toy ny vanilla, ary litchis sy mananasy ny aty amin’ny distrikan’i Mahanoro. Ho an’i mananasy manokana dia mahatratra 500 tonnes isan-taona ny vokatr’ireo tantsaha mpamokatra miisa 100. 300 hatramin’ny 500 ariary anefa ny hamaratona’ny tantsaha ny mananasy iray, eo ihany koa ny sarandalana mitondra azy any faritra hafa. Tanjona ny hamokarana Voankazomaina na fruits sec 5 tonnes isan-taona eto amin’ity trano fanodinam-bokatra ity . Hahazo tombony amin’izao trano vaovao fanodinana mananasy ho lasa comfiture sy mananasy maina na fruits sec izao ireo tantsaha satria, hitombo ny vola azo, tsy mande lavitra intsony amin’ny fivarotana ny mananasy,hoy Ranarisoa Jean Emiles mpamboly mananasy ao amin’ny fokotaninin’i Bemangahazo. Nahazo fiiofanana tamin’ny prosperer ihany koa ireo mpanodina voankazo ireo.
Faritra mpamokatra tantely ihany koa i Mahanoro, ny fisian’ny niaouli na kininin-drano, sy ny litchis ary voankazo maro sakafon’ny tantely no mahatsara ny tsirony ny vokatra tantely amin’ity faritra ity. Ambany anefa ny vokatra azo satria mbola mampiasa ny fiompiana nentimpaharazana ireo mpiompy izay tsy mahazo afa tsy 5 kilao isaky ny tohontantely isan-taona . 15 kilao isan-taona anefa no azo raha mampiasana ireto tohon-tantely moderna ireto. Tanjona ny hamokarana 110 tonnes isan-taona amin’ny taona 2019 ho an’ny distrikan’i Mahanoro. Fantatra fa Iray alina eo ho eo ny vidin’ny iray kilao amin’ny tantely , hitombo raka izany ny vola hihiditra amin’ireo tantsaha. Mbola malalaka ihany koa ny tsena satria ny vondrona eropeaninana ohatra dia mila tantely 40 000 tonnes , isika anefa tsy mamokatra afatsy 1000 tonnes isan-taona .Tombony lehibe ho an’ny tantsaha araka izany ny fazahaona ireto tranona tantely moderna avy amin’ny fanjakana ireto.
mahanoro_3Marihana fa nandray anjara ireo mpahazo tombotsoa tamin’ny fazahoana ny tohotra tantely satria raha 70 000 ariary ny vidiny iray dia ny 70 isan-jaton’ny izany hoe 49000 ar no noraisin’ny fanjakana ary ny 30 isan-jato kosa no noraisin’ny mpahazo tombotsoa dia ny 21000ar. Ankoatrizay dia nahazo fiofanana ihany koa izy ireo tamin’ny alalan’ny tetikasa prosperer .
Fampandrosoana ifotony izay hivadika ho fiahariana mitodika amin’ny tsena ny hataon’ny mininteran’ny fambolena sy fiompiana ho entina mampandroso ny tontolo ambanivohitra sy ny fitratrandrahana ny tsena hoy ny ministry ny fambolena sy fiompiana Rivo Rakotovao
mahanoro_2Tsy mahanoro ihany anefa fa ny faritra atsinanana iray manontolo dia manakarena voankazo, manakarena sakafona tantely ihany koa araka izany, betsaka araka izany ny mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana izay mahatratra 85 isan-jaton’ny mponina, hany ka efa hetahetan’ny faritra ny mba hahazo tohana toy izay hoy ny lehiben’ny faritra atsinanana Talata Michel.
Mariahana fa mikaikaika ireo tantsaha amin’ny afitsoky ny biby mpanimba ny voly toy ny voalavo, ny beatoka, ary ny valala. Nanambara ny minisitra Rivo Rakotovao fa ho jerena manokana ireo olana ireo, ary ho ampitomboina ny teknisianian ‘ny fambolena sy fiompiana haparitaka manerana ny nosy.
Source:SICD/MPAE
Date:21/08/2016
Retour

 

Comments are closed.