Foara « ZAMA 2016 »

(ZINA ALAOTRA MANGORO ) ; Io no anarana nampisalorana ny FOARA AGRO ARA-EKONOMIKA ( Foire Agro Economique) notanterahina ny 06 ka hatramin’ny 10 jolay 2016 lasa teo tao amin’ny Kianja filalaovam-baolina Rasolonjatovo Ambatondrazaka,Faritra Alaotra Mangoro.
foire_amb_2Nanasongadinana ny fiaraha-miombon’antoky ny Faritra Alaotra Mangoro tamin’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra na eo anivon’ny Minisitera isan-tokony sy ireo sehatra tsy miankina toy ny mpamatsy hanam-pamokarana ara-pambolena (opérarteurs des intrants agricole) sy ireo rafitra mpampindram-bola madinika (Cecam,Otiv,BOA……).
foire_amb_3Nanana ny anjara toerany nandritra ny tsenabe ihany koa ireo vondrom-pikambanan’ny tantsaha notohanan’ireo tetikasan’ny Minisitera eo anivon’ny fiadidian’ny Repoblika misahana ny fambolena sy ny fiompiana tamin’ny fampiratiana ny vokatra ara-pambolena,ny fiompiana ,ny jono ary ny taozavatra maro samihafa izay manaraka ny fenitra sy kalitao takian’ny tsena.Nanamarika ity Foara Agro ara-Ekonomika ity ihany koa ny fisian’ny loa-bary an-dasy izay nahaliana ny mpitsidika maro ka namoaboasan’ny tompon’andraikitra teo anivon’ny Tetikasa PURSAPS ny loha-hevitra « Asa fiompiana sy Fambolena miroborobo,Madagasikara mandroso » .
Source:SICD/DSI/MPAE
Date:13/07/2016
Retour

 

Comments are closed.