FANOLORANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY ORINASA MADINIKA FANODINANA RONONO AO IBOAKA FARITRA MATSIATRA AMBONY.

Tafiditra ao anatin’ny programa voasoritry fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ny fametrahana ny toeram-panodinana ny vokatra ronono eny ifotony.

Miisa 37 ny toerana fanodinana madinika hapetraka manerana ny faritra 5 eto amin’ny Nosy, ka iray amin’izany io natolotry ny fitondrampanjakana tao Iboaka, Distrikan’i Lalangina Faritra Matsiatra Ambony ny 03 oktobra 2023 io.

Ny Minisitry ny Asa sy ny Fampanananasa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy, Andriamatoa RIVOTIANA Jean Bosco sy ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana Ramatoa RAHARINOMENA Fanja no nitarika ny lanonana.

Hividy ny ronon’ireo mpiompy izay tsy lafo mba hitazonana ny vidin’ny ronono eny ifotony no isan’ny antony nametrahana izao foto-drafitrasa manarapenitra izao.

Afaka manodina ronono hatrany amin’ny 3.000 litatra isan’andro ny orinasa ary Kaominina maro manodidina an’Iboaka no mamatsy ronono ity toerana ity.

Mpahazo tombontsoa maro no hisitraka izao foto-drafitrasa izao toy ny fianakaviana mpiompy, ny orinasa madinika, ny vondron’ny tantsaha mpamokatra. Araka izany hampitombo ny famokarana ronono sy ny vola miditra ho an’ny mpiompy ny fahavitan’ny foto-drafitrasa toy izao.

Anisany manome antoka ireo mpiompy ato amin’ny Faritra Matsiatra Ambony ny fisiana lalam-barotra maharitra toy izao ary manome fahafam-po ny filàn’ireo mpanjifa ny vokatra ronono amin’iny ilany amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara iny.

Ny orinasa “SOA RONONO”no miandraikitra mivantana ny fitantanana ity toeram-panodinana ity araka ny fifanaraham-piaramiasa tamin’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.

Fanoitra iray lehibe hampivoarana ny tontolon’ny fiompiana indrindra fa ny famokarana ronono eto amin’ny Faritra Matsiatra Ambony ny dingana vitan’ny fitondram-panjakana.Nandritra ny lanonana ihany koa no nizarana tamin’ireo tantsaha ny karatra maha mpamokatra matianina.

#MINAE

#FIDA

#FDA

#Fiompiana

#Soaronono

Comments are closed.