MINAE-AIRTEL-ONG ADID : Hiroso amin’ny fanatanterahana ny tetikasa TAD « Territoire Agricole Durable »

Notontosaina ny Asabotsy 28 oktobra 2023 tao Antaninarenina ny fifanaovan-sonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny MINAE sy ny AIRTEL Madagascar ary ny ONG ADID (Agence de développement Inclusif et Durable) hanatanterahana ny tetikasa TAD. Fotoana izay notarihin’Andriamatoa Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Harifidy RAMILISON, sy ireo Tale Jeneraly avy ao amin’ny Airtel Madagascar ary ny Tompon’andraikitra avy ao amin’ny ONG ADID, nontronin’ireo Tale Jeneraly avy ao amin’ny Minisitera.

Anisan’ny asa goavana hotanterahin’ny tetikasa ny hampiatra ny hay tao ara-kajy mirindra na ny « digitalisation », amin’ny alalan’ny tambazotra airtel, eo amin’ny sehatry ny famokarana ka tanjona lehibe ny hisian’ny fandrosoana maharitra ho lovain’ny taranaka amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana, ny hampiarana ny famokarana biolojika, ny hamokarana mikajy ny tontolo iainana ary indrindra ny hialan’ny vahoaka amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.  Manodidina ny 2000 isa ireo tantsaha ho voakasiky ny tetikasa TAD.

Ho fanatanterahana ny tetikasa dia misy ny anjara asa iandraiketan’ny sehatra tsirairay voakasika :

  • Ny Airtel Madagascar : miantoka ny fampitaovana rehetra ilaina amin’ny fanatanterahana ny tetikasa TAD, hanome tolotra mirary ny tantsaha amin’ny fampiasana ny Airtel money, hitahirizana sy handoavana vola amin’ny fomba mangarahara sy azo antoka, mandritry ny famokarana, sy ny maro hafa.
  • Ny ONG ADID : dia tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanatanterahana ny tetikasa amin’ny ankapobeny. Ny ONG ihany koa dia hametraka vondrona mpisehatra mpamokatra eny anivon’ny tontolo ambanivohitra hahafahana mampiroborobo ny « hay tao ara-kajy mirindra » eo amin’ny sehatry ny famokarana, amin’ny alalan’ny tambazotra airtel.
  •  Ary ny MINAE dia mitondra ireo fomba sy teknika rehetra ilaina amin’ny famokarana. Mampifandray ny tantsaha sy ny teknolojia moderina ao anatin’izany ny Minisitera.

Santatra ambava-rano moa ity fiaraha-miasan’ny MINAE amin’ny Airtel Madagascar sy ny ONG ADID ity, fa mbola hiroso amin’ny fametrahana ny “Centre d’excellence Visuel”, izay mikendry ny fampianarana ny tanora Malagasy momba ny “culture d’Excelelnce”.

Nandrisika ny mpisehatra rehetra, hiara-hientana sy handray anjara amin’ny fampandrosoana an’I Madagasiakara, moa Andriamatoa Minisitra, amin’ny alalan’ny fanamafisana ny traik’efan’ireo tantsaha mpamokatra, sy amin’ny alalan’ny fampianarana ireo tanora Malagasy mba ho avin’ny firenena sy hanana ho avy mamiratra.

Retour

Comments are closed.