20 taona nijoroana ny Sekoly Fampihofanana Dokotera Veterinera eto Antananarivo, niampy 160 ireo dokotera Veterinera.

Ao anatin’ny hateloana fankalazana ny faha-roapolo taonan’ny Fampihofanana Veterinera eto Madagasikara, izay tanterahina ny 25, 26 ary 27 oktobra 2023 eto Antananarivo, dia nisy ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ireo andiany miisa 4 dia ny andiany FANDREFIALA, VARIKA, RAILOVY, et MAZAVALOHA, ny 25 oktobra 2023 tao amin’ny CCI Ivato. Miisa 160 eo ho eo izy ireo. Fotoana izay notarihin’Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Fiompiana, Andriamatoa LEZOMA Tsiry Andriamahatola sy Andriamatoa BIARMANN Marcellin, Tale Jeneralin’ny FEL (Fond de l’Elevage), izay nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra lefitra misahana ny fiompiana, ireo manam-boninahitra isan-tsokajiny eo anivon’ny Oniversite-n’Antananarivo ary ny avy eo anivon’ny Sampam-pihofanana Dokotera.

Miampy 160 ireo dokotera veterinera araka izany ankehitriny. “Manodidina ny 384 no nivoaka tao amin’ny Sekoly fampihofanana hatramin’izao. Mbola tsy ampy anefa ny isan’izy ireo satria 600 eo ho eo ny filàn’I Madagasikara ankehitriny”, hoy ny nambaran’Andriamatoa                         Pr RAFATRO Herintsoa.  Tanjona araka izany hoy izy ny hampitombo isa ireo dokotera Veterinera ary indrindra ny hanatsarana ny kalitaon’ny fahaizan’izy ireo. Efa miroso amin’ny fampanatonana ireo biby hanaovana fampiharana amin’ny fiompiana sy fitsaboana eny anivon’ny sekoly ihany koa amin’izao fotoana hoy hatrany ny nambarany.

Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Fiompiana kosa dia nanamafy fa” tafiditra ao anatin’ny fampanarahana fenitra ny fampiakarana ny tahan’ny lentan’ny fahafahana mpitsabo biby eto Madagasikara ity fotoana ity. Ny lentan’ny tontolon’ny fitsaboana biby hoy hatrany ny nambarany, dia tsy maintsy ampiakarina hifanaraka amin’ny lentan’ny famokarana ny vokatra avy amin’ny biby eto Madagasikara, ka ity hetsika fankalazana ny faha-20 taona nijoroan’ny sekoly fampihofanana dokotera veterinera ity, dia mifanindran-dalana indrindra amin’izany.

Fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny “Coins animaliers”

Ao anatin’ny fankalazana ny faha-20 taona nijoroan’ny Sekoly Fampihofanana Dokotera veterinera eto Antananarivo, dia natolotra tamin’ny fomba ofisialy ihany koa ny “Coins animaliers”, ny alakamisy faha 26 oktobra 2023, tao amin’ny Akanin’ny Veterinera Akakikiniarivo, Ambatobe.

Ny tetikasa “Coins animaliers” na ny toeram-piompiana madinika ho an’ny Ivon-toeram-pampihofanana, dia tohana entin’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana amin’ny alalàn’ny FEL na ny Tahirim-bola ho amin’ny Fiompiana. Toerana fiompiana akoho gasy, akoho fakana nofo sy atody, ny fiompiana kisoa sy ny maro hafa, ahafahan’ireo dokotera mpihofana manao fampiharana mivantana momba ny fiompiana mba ahazoana traikefa azo tsapain-tanana, indrindra manokatra ny varavarana ho eo amin’ny tontolon’ny asa.

Nisy ihany koa moa ny fanokafana ny “salle d’informatique” hahafahan’ireo mpihofana manao ny fikarohana izay mifandraika amin’ny fianarana.

Retour

Comments are closed.