DSV-MINAE/ PAIKADY HOAN’ NY FAMPIDINANA NY TAHAN’AMBANA MIANJADY AMIN’NY BIBY FANAMAFISANA NY FIAROVANA BIOLOJIKA MANERAN-TANY

Atrikasa fampiofanana sy fifampizarana traikefa izay haharitra hateloana no ataon’ ireo Dokotera Veterinera eo anivon’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena hoan’ny fahasalaman’ny biby na Organisation Mondiale de la Santé Animale, ny 25-27 septambra 2023 ao amin’ny hôtely Asia and Africa, Ivato.

Ny fikirakirana ireo fitaovana misy eny amin’ireo ivo-toeram-pikarohana no tena anisany amafisina mandritrin’ny atrikasa, ka hanampiana ny traikefan’ireo tompon’andraikitra mba hisian’ny “fahamalinana” sy “fiarovana biolojika”. Tsy hijanona amin’ny fampiofanana an-databatra ihany ny atrikasa fa hitohy hatramin’ny fampiharana.

Ny atrikasa dia tafiditra ao anatin’ny paikady ho fampidinana ny tahan’ny fihanak’ireo aretin’ny biby fiompy, izay tena mampidi-doza ary mety hipariaka amin’ny tontolo iainana ka mety mifindra amin’ny zanak’ombelona. Raha ny salan’isa, dia avy amin’ny biby ny 75% ny areti-mifindra toy ny Ebola, VIH ary ny Gripa. 80% kosa, ireo ampiasain’ny manampahaizana any ivelany ho fitoavam-piadiana biolojika noho ny fivoaran’ny teknolojika. Misy ihany koa nefa ireo aretina mifindra amin’ny biby izay avy amin’ny olombelona.

Tanjon’ny tetikasa ny hampidinana ny fihanak’ ireo valan’aretina mianjady amin’ny biby. Arak’izany dia tokony hamafisina ny fanaraha-maso akaiky eny amin’ireo ivo-toeram-pikarohana ary tokony ho fantatra mialoha ny fisian’ny valan’aretina ahafahana mandray ireo fepetra tandrify izany.

Isan’ny paikadin’ny MINAE ny fanaovana vakisiny ireo biby izay antoka iray ahafahana misoroka ny fihanakin’ny aretina.Ny fahavitan-tena ara-tsakafon’ny Malagasy sy ny fampandrosoana maharitra hatrany no vohizin’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’izao atrikasa fampiofanana izao. Arovy ny biby fiompy , tsinjovy ny hoavy

Retour

Comments are closed.