FANAOVAN-TSONIAM-PIARAHA-MIASA TEO AMIN’NY MINAE SY NY BANQUE ALIMENTAIRE DE MADAGASCAR

Ho fitsinjovana ny fiatraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny haintany any amin’ny Faritra Atsimo sy ireo Faritra samihafa ary ho fanatsarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo dia anisan’ny paikady napetraky ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ho an’I Madagasikara indrindra ho an’ny faritra Atsimo ny fametrahana bankin-tsakafo.

Arak’izany, natao ny Talata 10 oktobra 2023, ny fifanaovan-tsonia-mpiaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran’ ny Fambolena sy ny Fiompiana sy ny ONG Banque Alimentaire de Madagascar.

Ny BAM dia efa manana traikefa mikasika ny fitantanana sy famatsiana ary fiaraha- miasa amin’ny tantsaha amin’ny maha mpikambana azy amin’ny tambazotra maneran-tany momba ny bankin-tsakafo.

Ireo tantsaha mpisitraka no hamokatra sy hameno ireo banky tsakafo ireo ho fitsinjovana ny fahafaha-miatrik’izy ireo sy hanala ny fahasahiranany rehefa tonga ny ambana sy ny haintany na ny cyclone mety hisy eo amin’ny faritra misy azy ireo.Miara miasa amin’ny rantsa-mangaika eny anivon’ny faritra rehetra ny BAM toy ny PAM sy ny BNGRC ary ireo mpiara- miombon’antoka sy mpamatsy vola.

Marihana moa fa ny «Banque Alimentaire de Madagascar» dia efa niasa nandritra 4 taona teo amin’ny sehatry ny fanampiana ireo marefo ary miezaka hanatanteraka ny vina izay napetraka manerana ny nosy eo amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.ho tohanan-tsika ireo tantsaha amin’ny famokarana hameno ireo bankin-tsakafo reo

Ahafahan_tsika rehefa tonga ny cyclona na ny hain-tany misy ny ho zaraina amin’ireo mponina tratran’izay fasahiranana amin’izay fiovaovan’ny toetran’andro amin’izao

Retour

Comments are closed.