DEFIS-MINAE/FARITRA FITOVINAGNY : Trano fanangonana sy fanodinam-bokatra misokatra ao amin’ny Kaominina Andemaka

Ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny Fandaharan’asa DEFIS izay vatsian’ny FIDA vola ary eo ambany fiahian’ny MINAE dia nanolotra tamin’ny fomba ofisialy ny fotodrafitr’asa goavana tao amin’ny Kaominina Andemaka, Distrika Vohipeno, faritra Fitovinagny. Trano fanangonana sy fanodinana Kafe Robusta tsara kalitao sy voafantina izay tantanin’ny Kaoperativa VKOMAMI.

Vita 100% ny trano, voavatsy ara-pitaovana ny efitra rehetra, manomboka amin’ny famoasana ny Kafe, ny fanasana azy, ny fanahazana azy,ny fanendasana, ny fitotoana ny voan-kafe ary hatramin’ny fanaovana azy anaty fonosana.

Ny 7 oktobra 2023 no notanterahina izany, ka ny Governoran’ny faritra Médecin Général Razafitsotra Lucien Laurel sy ny Tale Kabinetran’i Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana Andriamatoa Jocelyn Rasoanaivo izay solotenan’Andriamatoa Minisitra ary ireo olom-boafidy sy ireo olom-boatendry avy eo amin’ny faritra tamin’ny fanatontosana ny adidy lehibe. Nohotronin’i Ramatoa Talem-paritry ny Fambolena sy ny Fiompiana Fitovinagny, ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Fandaharan’asa DEFIS.

Ho fampiroboroboana ny seha-pamokarana sy hampiakarana ny rojom-piharian’ireo tsantsaha ny antom-pisian’ity orinasa tantanam-pianakaviana sy lovain-jafy ity. Anisan’ireo paikady napetraky ny Fitondram-panjakana ny fanorenana fotodrafitr’asa mba afahan’ireo tsantsaha mivelatra amin’ny seha-pihariana matihanina kokoa hatrany. Tsy hionona amin’ny asa fambolena fotsiny intsony ireo tantsaha fa hivelatra kokoa amin’ny sehatry ny tsena ary hanentana ireo tantsaha namana hisitraka ny fotodrafitr’asa.

Tsy mena-mitaha amin’i reo Kafe hafa ny vokatra avy ao Andemaka ary inoana fa afaka hifaninana amin’ny sehatry ny tsena anatiny sy ivelany nohon’ny hatsaran’ny kalitao. Mpamboly Kafe avokoa ireo tantsaha anaty kaoperativa, miisa 202 izy ireo no misitraka ity fotodrafitr’asa ity raha mamboly eo amin’ny 3000 fototra kafe eo ho eo isan’olona ary mahazo vokatra eo amin’ny 3000 Taonina isan-taona araky ny nambaran’ny Governoran’ny faritra.

Tanjona ny hananan’ireo tantsaha fari-piainana mihabo,mba hanatraran’izy ireo ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Manomboka eto ary dia hanana anton’asa ireo tantsaha, ary hivoatra amin’ny fiainana ankapobeny.Arak’izany dia vonona ireo tantsaha hiroso amin’ny asa ary hijery ny fomba ahazoana lalam-barotra samy hafa, ahafahan’izy ireo mampiroborobo ny seha-pamokarana sy mampivoatra ny farim-piainana’ireo tantsaha eo anivon’ny Faritra Fitovinagny.

Retour

Comments are closed.