FAMPAHAFANTARANA AMIN’ NY FOMBA OFISIALY NY TETIANDROM-PAMBOLENA 2023-2024

Notanterahin’ny MINAE sy ny MTM ny 20 oktobra 2023 tao amin’ ny Carlton Anosy ny fampahafantarana amin’ ny fomba ofisialy ny tetiandrom-pambolena 2023-2024 sy ny vinavinan’ ny taom-pahavaratra 2023-2024.

Mianjady amin’ ny firenena malagasy ny vokatry ny fiovan’ ny toetrandro izay miseho amin’ ny fiovaovan’ ny fotoana hisian’ ny rotsak’orana, ny fisian’ ny hafanana mihoam-papana, ny rivodoza maherivaika sy ny hain-tany any amin’ ny faritra atsimo. Voakasik’izany ny sehatry ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono.

Hanamaivanana ny vokatry ny fiovaovan’ ny toetrandro izany dia niaraka nikaodoha ny MINAE sy ny FOFIFA sy ny DGM ary ny Viamo tohanan’ PraDa GIZ ka namolavola ny tetiandrom-pambolena nanomboka ny taona 2019.

Ny tetiandrom-pambolena dia fitaovana entina hampihenana ny fiantraikan’ ny fiovaovan’ ny toetr’andro eo amin’ ny sehatry ny fambolena, ahafahana ihany koa manatsara ny famokarana ary hanatrarana ny fahavitantena ara-tsakafo. Hanampy ireo tantsaha ny tetiandrom-pambolena satria hita ao avokoa ny torolalana sy torohevitra toy ny masomboly mifanaraka amin’ ny faritra misy azy ireo, ny ambaratonga rehetra amin’ ny asa fambolena (fikarakarana ny tany, fanetsana ,fanapariahana ny zezika, ny fiavana, ary ny fiotazana). Ny tetiandrom-pambolena dia novolavolaina avy amin’ ny vinavinan’ny taom-pahavaratra izay nampifandraisana tamin’ ny atontam-baovao momba ny fambolena .

Mahakasika voly miisa dimy ny tetiandrom-pambolena dia ny vary, ny katsaka, ny voanjo, ny tsaramaso ary ny apemba.Miseho amin’ ny endrika roa ny tetiandrom-pambolena : raiketina an-tsoratra amin’ ny dikan-teny Malagasy sy frantsay ary amin’ ny rakipeo azo renesina amin’ ny alalan’ ny finday ao amin’ ny tolotra mandroso 321 ho an’ ny tambajotra airtel ary ny laharana 033 33 00 321 ho an ‘ny tambajotra hafa.

Haparitaka any amin’ ny mpamokatra rehetra manerana ny nosy ny tetiandrom-pambolena hoy ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana Atoa RAMILISON Harifidy izay tonga nanome voninahitra ny lanonana niaraka taminin’ ny ministry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.

Retour

Comments are closed.